La Gazette de la grande ile

Raharaha « Toliara Sands » : mihetsika koa ny eto Antananarivo

Publié le 27 août 2018

Nampitolagaga ny mpanra-maso ny raharaham-pirenena ny hamaroan’ny vahoaka nidina andalambe tany Toliara ny alakamisy teo, izay notarihin’ireo fikambanana isan-tokony sy olom-boafidy (Depiote Siteny Andrianasoliniaiko), ho fanoherana ny tetik’asa nanomezan’ny fitondram-panjakana ankehitriny alalana ny orin’asa Aostraliana hitrandrakany fasimainty any amin’iny, dia ilay tetik’asa Toliara faharoa iny, dia ilay tetik’asa « Toliara Sandsizany. Toherin’izy ireo io tetik’asa io, araka ny nambaran-izy ireo, satria tena endri-pandrobana ny harem-pirenena mivandravandra izao. Tsy sanatria olona tsy mahalala fivoarana sy fandrosoana izahay aty, hoy ny feo tamin’io hetsi-bahoaka io, fa ny fanasokajiana ny vahoaka ho “kely tsy mba mamindro” no tsy ekena. Mandritra ny 20 taona ngarangidina ve, hoy izy ireo, dia vola varifitoventy, 900 tapitrisa dolara no ho azon’ny firenena Malagasy amin’io tetik’asa io, nefa ny fasimainty izay hotrandrahina amin’io tetik’asa io no tsara karazana indrindra maneran-tany, ary amin’arivony tapitrisa dolara isan-taona ny vola hiditra amin’io orin’asa Aostraliana io mandritra izany 20 taona izany?” Tsy rariny izany ka tsy maintsy ijoroana ny fanoherana azy satria tena fandrobana mibaribary ny harem-pirenena, hoy hatrany ireo vahoaka an’hetsiny nidina an-dalambe tamin’ny alakamisy.
Etsy ankilany, isan’ny navoitran’ireo mpanao fihetsiketsehana koa fa “vokadratsy aterik’io tetik’asa handrobana ny harem-pirenena io ny ho famafana tsy ho ao anatin’i Madagasikara intsony ny mponina manana karazana manokana ao amin’io faritra io, dia ny “Mikea” izany, ary loza mitatao ho an’io faritra io avy amin’io tetik’asa “Toliara Sands” io ny fahapotehan’ny tontolo iainana, manomboka amin’ny toerana efa nohajarian’ny mponina, ny rano fototry ny ain’ny mponina, na ny hosotroina na ny hidiovana na ny hikarakarana ny asa andavanandro toy ny fambolena na ny hiantohana ny ain’ny zava-manana aina toy ny biby fiompy, sy ny maro tsy ho voatanisa.

Mifanindran-dalana amin’io hetsika tany Toliara io dia nifamotoana tetsy amin’ny trano fivoriana iray etsy Analakely (Hotel de l’Avenu) ny sabotsy teo ny Zanak’i Toliara mitady ravin’ahitra eto Antananarivo, notarihin’i Velomasy sy Rabevahiny. Nifanome tan-tsoroka tamin’izy ireo ny fikambanana “FLN” (Front de Liberation Nationale) sy ny Otrikafo. Maro ny olona tonga tao, izay naneho firaisan-kina amin’ny vahoakan’i Toliara sy nanandratra ny fiombonam-pony amin’ireo mijoro manohitra ny fandrobana harem-pirenena sy ny famotehana ny tontolo iainana, ary ny fanasokajiana ho toy ny tsy misy intsony ny kolotsaim-paritra amin’iny distrika iny.

Nisy tamin’io fihaonana teto Antananarivo io ny fanamarihan’ny mpandray anjara fa “efa noraisin’ny fitondram-panjakana ho faritra ikarakarana vahoaka (terrain pour l’utilité public) iny toerana hanaovana ny tetik’asa “Toliara Sands” iny, ka  ny fijoroan’ny vahoaka izay hany hery tsy hay tohaina eto amin’ny tany sy ny Firenena no hany azo antoka hanoherana sy hisakanana an’izany teti-dromotra izany.”

Nisy koa ny fanamarihan’ny mpandray anjara sasany fa “ampahany kely amin’ny faritra misy harena efa nomen’ny mpitondra ny vahiny ihany io voafaritra hanatanterahana ny “Toliara Sands” io fa mahatratra 200.000 km2 ny velaran-tany amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny efa nomen’ny fitondrana ankehitriny ho an’ny vahiny, ka tafiditra ao anatin’io 200.000 Km2 io ny “tetik’asa Toliara Sands”.

Nisy tamin’ireo nandray fitenenana tamin’ity fihaonana ity ny nanindry fa “ilaina ny fampiombonam-pon’ny vahoaka Malagasy amin’ny mpiray tanindrazana any atsimon’ny Nosy amin’izao raharaha izao satria tsy raharahan’ny foko Masikoro irery izao na olan’ny vahoakan’i Toliara irery fa tena fivarotan-tanindrazana mivandravandra ka ny vahoaka malagasy tsy misy ankanavaka manerana ny Nosy no tokony hiara-mientana manohitra izany.” Notsindrian’ireo niara-nivory fa “raha tsy mijoro manohitra izao endri-javatra izao isika dia i Madagasikara manontolo mihitsy no ho lasan’ny vahiny.”

Rainisoa

 

Lire aussi