La Gazette de la grande ile

Rajaonarimampianina nametra-pialana : Lasa lesona ho an’ny demôkrasia aty Afrika

Publié le 12 septembre 2018

Natao lohahevitra manokana tao amin’ny fandaharana “Appels sur l’actualité” ao amin’ny onjam-peo frantsay Radio France Internationale ny zava-dehibe niseho teto Madagasikara, ny zoma 7 septambra lasa teo, dia tsy inona fa ny fametraham-pialan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Notsipihan’ny mpanao gazety tsara tany amboalohan’ny fandaharana fa tranga iray tsy fahita manerana izao tontolo izao no niseho teto amintsika, izany hoe filoha am-perinasa voafidim-bahoaka mametra-pialàna, roa volana mialohan’ny fifidianana. Io fepetra voalazan’ny andininy faha-46 ao anatin’ny Lalàmpanorenana malagasy io no niadiana hevitra tao anatin’ny fandaharana ka teratany afrikanina maro avy amina firenena maro samihafa no nandray anjara tamin’izany. Samy naneho ny heviny momba izay fametraham-pialàn’ny filohan’ny repoblika malagasy izay moa ny mpisehatra rehetra, ireto farany izay samy niaiky avokoa fa tokony ho lesona ho an’ny demôkrasia aty Afrika no nitranga teto Madagasikara, ny 7 septambra lasa teo. Nivoitra tao anatin’io fandaharana tao amin’ny RFI io ny tokony alain’ireo firenena afrikanina rehetra tahaka io andininy faha-46 ao anatin’ny Lalàmpanorenana malagasy io. Saika mitovy daholo mantsy ny zava-misy aty Afrika raha mbola milatsaka ho fidiana ny filoha am-perinasa iray. Eo ny fampiasàna ny fahefam-panjakana mandritra ny fampielezan-kevitra, fampiasàna mihoa-pampana ny haino aman-jeri-panjakana, fanararaotana ny fitokanana foto-drafitrasa ho amin’ny fampielezan-kevitra, sns sns. Ho fisorohana izany fomba fanao maloto sy mamohehatra izany no tokony handraisan’ireo firenena afrikanina rehetra ny fepetra tahaka ity miseho eto Madagasikara ity, raha ny hevitr’ireo vahiny rehetra tao amin’ny fandaharana “Appels sur l’actualité”, omaly. Tamin’ny ankapobeny dia nidera ny Malagasy ireo mpisehatra noho izay dingana lehibe fampivoarana ny demôkrasia izay. Nisy aza ireo nilaza fa mbola tsy azo eritreretina mihitsy ny hisian’ny zavatra toa izany any amin’ireo firenena afrikanina sasany, ary na voasoratra ao anatin’ny Lalàmpanorenana aza fa tsy maintsy mametra-pialàna ny filoha am-perinasa raha mbola hilatsaka ho fidiana, dia vitsy ny filoha afrikanina no hanàja izany. Na izany aza anefa, mbola nipetraka ho ady hevitra tao anatin’ity fandaharana ity ny momba ilay filoha vonjy maika hitantana ny firenena satria na miala eo amin’ny fahefana aza ilay filoham-pirenena, tsy azo antoka mihitsy ny tsy fiandanian’ny fitondram-panjakana amin’ny atsy na ny aroa. Tsara marihana ihany fa na any amin’ireo firenen-dehibe heverina fa tena mandala sy manaja izany demôkrasia izany aza dia mametra-pialàna ny filoha am-perinasa raha toa ka mbola hilatsaka ho fidiana amin’ny fifidianana filoham-pirenena.

 F.Tsihiavonana

Lire aussi