La Gazette de la grande ile

Antenimierandoholona : Voatendry ho filoha vonjy maika Randriambololona Mananjary

Publié le 12 septembre 2018

Tsy niandry ela fa omaly ihany dia voatendry ny filoha vonjy maika hitantana ny Antenimierandoholona, dia tsy iza fa ny senatera Randriambololona Mananjary. Omaly maraina no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny lapa maitso Anosikely io fanapahan-kevitra noraisin’i Rivo Rakotovao io. Tsara marihana fa raha ny voalazan’ny fitsipika anatiny mifehy ity andrim-panjakana ity, dia i Rivo Rakotovao izay voatery nandray ny toeran’ny filoham-pirenena vonjy maika no manendry ny olona hisolo toerana azy vonjy maika izay tsy maintsy loholona mazava ho azy. Raha toa moa ka tsy miroso amin’izay fanendrena olona izay ingahy Rivo Rakotovao, dia ny loholona zokiolona indrindra no mandray ny toeran’ny filoha vonjy maika. Marihana fa filoha lefitra ho an’ny faritanin’Antananarivo i Mananjary Randriambololona, mialohan’izao nanendrena azy ho filoha vonjy maikan’ny Antenimierandoholona izao. Talohan’ny nahavoafidy azy ho loholona dia lehiben’ny faritra Analamanga nandritra ny taona maro ihany koa ny tenany. Raha ny voalazan’ny lalàna ihany, avy hatrany dia miverina ho filohan’ny Antenimierandoholona ihany i Rivo Rakotovao rehefa tafapetraka ny filohan’ny repoblika vaovao lanim-bahoaka ary miverina amin’ny toerana amin’ny maha filoha lefitra azy kosa ingahy Randriambololona Mananjary. Anio moa no hanaovana ny famindram-pahefana raha ny fantatra.

F.Tsihiavonana

Lire aussi