La Gazette de la grande ile

Ankatoky ny fifidianana : manjaka ny fampielezana tsaho

Publié le 14 septembre 2018

Manakaiky ny andro hanaovana ny fifidianana ka manomboka miseho tsikelikely ny tetik’ady maloto sy mamohehatra ataon’ny mpomba ny kandidà sasany. Amin’izao vanim-potoana misy antsika izao, fitaovana iray lehibe ahafahana manasoaso na manaratsy olona iray ny tambazotran-tserasera sôsialy. Roa volana latsaka kely eo sisa dia higadona ny datim-pifidianana, ny zavatra tsikaritra dia vao mainka mitombo ny fanaratsiana amin’ny endriny samihafa izay atao amin’ireo kandidà sasany, indrindra fa ireo heverina fa misongadina ka mety hivoaka mpandresy. Tsy mijanona eo amin’ny fitsikerana be fahatany olona intsony anefa ankehitriny no ataon’ny olom-pirenena sasany fa tato anatin’ny herinandro vitsy izao dia tonga hatramin’ny fampielezana tsaho maro isan-karazana, ao anaty tambazotran-tserasera. Mazava ho azy fa ny famotehana kandidà no tanjona amin’izany rehetra izany ary vitan’ny sasany mihitsy no mamorona lainga tsara lahatra. Tsy ireo mpilatsaka ho fidiana ihany no voakasika amin’ity fampielezana tsaho ity fa hatramin’ireo olona akaiky ny kandidà. Ny azo antoka dia tsy olona mpampiasa ny tambazotran-tserasera sôsialy tsotra no manaparitaka ny tsaho fa olona efa voakarama mpanao ireny antsoina hoe « compte fake » ireny. Noho izany fomba mamohehatra fanaon’ny sasany izany, tsy fantatra ny olom-pirenena intsony ankehitriny ny manavaka ny vaovao marina sy ny lainga tsara lahatra ka lasa manakorontana ny saim-bahoaka. Mila mailo ny vahoaka sy ireo mpampiasa ny tambazotra sôsialy manoloana ity fanaparitahana vaovao tsy marina etsy sy eroa ity. Tokony handray fepetra hentitra ihany koa ny fitondram-panjakana ho fisorohana ny zava-doza mety hiseho eto amin’ny firenena.

F.Tsihiavonana

Lire aussi