La Gazette de la grande ile

CRAM : Resy lahatra amin’ny IEM

Publié le 14 septembre 2018

Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo fikambanana manohana ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina, amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy izao. Omaly dia ny CRAM na ny Cercle de Reflexion pour l’Avenir de Madagascar no nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa manohana ity kandidà laharana faha-13 ity. Nandritra ny taona maro no nanao fikarohana momba ny atao hoe « fokonolona fototra ny firenena » sy ny fanarenana an’i Madagasikara ny Cram ary resy lahatra tanteraka ny fikambanana fa ny vina IEM izay novolavolain’i Andry Rajoelina no ahafahan’ny firenena miroso haingana amin’izany. Etsy ankilan’izay, mahita ihany koa ny Cram fa tena manana fitiavan-tanindrazana, manana fikirizana ary efa niomana nandritra ny taona maro amin’ny fanatanterahana ny andraikitra ho filoham-pirenena ny filohan’ny tetezamita teo aloha.

F.Tsihiavonana

Lire aussi