La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday : Kapoaka sa vahoaka, harena sa firenena ?

Publié le 14 septembre 2018

Lohatenin’ny tantara tsangana na teatra nosoratany ary nolalavin’ny Tarika Victor Solo nanomboka tany amin’ny taona 1977 tany ny hoe “Kapoaka sa vahoaka, harena sa firenena ?” Tsaroana ny foto-kevitra nivoitra tao anatin’io tantara tsangana io nandritra ny lanonam-panjakana teny amin’ny lapam-panjakana teny Mavoloha ny alarobia teo.

Tamin’ny lahateny farany nataon-dRajaonarimampianina teny Mavoloha tokoa tamin’io alarobia io, nandritra ny lanonam-panolorany ny fahefana tamin’i Rivo Rakotovao, filoha mpisolo toerana vonjimaika azy, dia latsaka ny ranomasony. Tena hita sy tsapa ny fihetseham-pon’Ingahy Filoha Rajaonarimampianina. Zary nanaporofo fa mavesa-danja taminy ny nitantanany ny fahefam-panjakana tamin’ny naha-filohampirenena azy nandritra izay 5 taona izay. Nahatsiarovany zavatra maro ny 5 taona nitantanany an’i Madagasikara. Tsy misy hanome tsiny azy tamin’iny fihetseham-pony ka nahalatsaka ny ranomasony iny.

Rehefa nozohiana anefa dia teo amin’ny fehezan-teny nanehoany ny fahatsiarovany ny vadiny sy ny zanany ary ny zafikeliny no tena nampahavesatra ilay fihetseham-pony ka nahalatsaka ny ranomasony.

Midika izany, fa tamin’ireo zavatra maroloha nambarany, nolalovany tao anatin’ny fotoana naha-filohampirenena azy, dia navesa-danja kokoa taminy hatrany ny ankohonany. Izany hoe “hiova sehatra sahady toy ny olon-tsotra ny ankohonako raha niadana tao anivon’ny lapam-panjakana sy ny fahefam-panjakana mbamin’ny volam-panjakana sy ny hafa nandritra ny 5 taona.” Endrika iray mbola ahafahana milaza sy manaporofo izany fa na teo aza ny filazany fa “nanao ezaka maro sy goavana ho an’ny vahoaka malagasy ny tenanay”, dia navesa-danja kokoa aminy hatrany ny vady aman-janany.

Mety hanome tsiny anay angamba ianao mpamaky hoe “efa  miendrika fanakianana bontolo kosa ny an’ity mpanao gazety mpanoratra ity izany”. Tsia, tompoko. Tsy fanakianana na fanamarihana bontolo fa fahita eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fahaizana mametraka ny fiainan’ny tena manokana sy ny an’ny ankohonana ho ambany na maivana kokoa raha miohatra amin’ny fiainam-pirenena. Raha tena olom-panjakana sy tena tia tanindrazana ianao dia tsy hanome lanja ny tenanao sy ny ankohonanao mihitsy.

Firifiry moa ireo Malagasy namoy ny ainy, noho ny antony isan-karazany teto amin’ny tany sy ny firenena nandritra izay 5 taona nitondran-dRajaonarimampianina izay, fa toa tsy mba nihetsi-po akory izy, ary zary nofy ny hahita azy latsa-dranomaso ?

Tany Etazonia, tamin’ny fifidianana an’i Barak Obama ho filohampirenena amerikanina, tamin’ny fotoana hikabariany indrindra no maty ny raibeny, izay naha-Obama an’i Obama tany Etazonia. Tsy hoe tsy noraharahiany akory ny fahalasanan’ny raibeny fa tsy nohamaivaniny noho izay voina nihatra taminy sy tamin’ny fianakaviany izay ny raharaham-pirenena, ka novitainy an-tsakany sy andavany aloha ny kabary ho an’ny vahoaka amerikanina vao lasa namonjy ny fahalasanan’ny Raibeny izy. Fihetsika toa izany no mendrika ny maha-olom-panjakana sy ny tena fitiavan-tanindrazana.

Nisy Malagasy maro, nahafoy ny ainy, nanaiky ho latsa-dra teto, mba hanavotana ny firenena, hanafahana ny tanindrazany. Tsy ho an’ny ankohonany manokana fa ho an’ny vahoaka. Mby aiza eo anatrehan’izany ny mpilalao pôlitika ankehitriny izay mametraka ho laharam-pahamehana ny ankohonany sy ny fianakaviany ary ny namany akaiky ?

Saika manome lanja hatrany ny manodidina azy raha mitaha amin’ny fireneny sy ny tanindrazany ny maro e ! Mbola tsy misy firy ireo tena Tia tanindrazana.

Ralay

Lire aussi