La Gazette de la grande ile

Fanondranana olona any Arabie Saoudite : 12 mianadahy voasambotry ny pôlisy teny Ivato

Publié le 11 octobre 2018

Tsy misy fitsaharany ny fanondranana olona antsokosoko any ivelany. Efa betsaka ihany ny tambazotra ravan’ny mpitandro filaminana, saingy mbola misy ihany ireo sahy manohy izany heloka bevava izany. Tambazotra iray indray no ravan’ny pôlisy avy ao amin’ny “enquête spécialisée” eo anivon’ny BC etsy Anosy, ny alatsinainy 8 oktobra lasa teo, teny Ivato. 12 mianadahy no voasambotra tamin’io andro io ka vehivavy ny 7. Ireto farany izay saika nahondrana antsokosoko any Arabie Saoudite, 3 mianadahy hafa kosa no voalaza ho mpiray tsikombakomba ary renim-pianakaviana 2 kosa no voarohirohy ho atidoha amin’ny fandefasana ireo vehivavy ireo, any amin’ity firenena arabo ity. Mbola tanora avokoa ireto olona saika nahondrana tratra teny Ivato ireto satria 18 taona ny zandriny indrindra raha 32 taona kosa ny zokiny. Loharanom-baovao avy amina olon-tsotra moa no nahafahan’ny pôlisy nisambotra ireo 12 mianadahy ireo. Ny alatsinainy maraina lasa teo no nidina ifotony teny Ivato, teny amin’ny toerana nahazoany vaovao ny pôlisy avy etsy amin’ny BC Anosy. Tratra tao anaty trano ireo vehivavy 7 izay efa niandry ny fanondranana azy ireo any Arabie Saoudite. Ireto farany avy eo no nanoro ny renim-pianakaviana iray mpikarakara ny taratasin’izy ireo. Ora vitsy taorian’izay ihany dia voasambotra ity renim-pianakaviana iray ity, izay fantatra ny rehetra amin’ny anarana hoe “vadin’i Gaetan”. Ity Gaetan ity anefa dia tsy iza fa mpanondrana vehivavy antsokosoko any ivelany ihany koa taloha ary mbola migadra any am-ponja, amin’izao fotoana izao. Rehefa voasambotra io ramatoa vadin’i Gaetan io, dia izy indray avy eo no nanondro ny vehivavy iray mpiray tsikombakomba aminy. Mbola hita teny amin’ ity renim-pianakaviana ity ny atontan-taratasy maromaro ahafahana mandefa ireo vehivavy any Arabie Saoudite. Mbola mitohy moa ankehitriny ny famotorana eny amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava etsy Anosy, mialoha ny hampiakarana ny raharaha eny amin’ny fitsarana.

                                                                                                    F.Tsihiavonana

Lire aussi