La Gazette de la grande ile

Fifidianana filohampirenena : miala any ny sakaizan’ny mpandresy

Publié le 12 octobre 2018

Manomboka hita soritra izany fa i Andry Rajoelina no hibata ny fandresena raha tanteraka araka ny nieritreretan’ny mpikarakara azy ny fifidianana. Raha vao nanomboka fotsiny tokoa ny “savaranonando” na “pré-campagne” tamin’ity hetsiky ny fifidianaa filohampirenena ity dia tsy vitsy ireo nahatsikaritra fa tsy ho azo tohaina ny ho fandresen-dRajoelina amin’ny fifidianana.

Dia nitohy teny ny fitetezany faritra, ary nanomboka ny fampielezan-kevitra, ka mahatsapa ny mpanara-maso fa manatombo be Rajoelina.

Dia indro fa manomboka manao fifindran-tsokina manatona azy ary milaza sy manao fanambarana fa manohana azy ny maro. Tsy tratra aoriana ireo mpanao ramasabomanga sy ny mpivadibadika isany ka milaza koa fa “manohana tsy misy fepetra ny kandida Rajoelina”.

Hatramin’ireo nanohitra azy sy zary nifanao talapetraky ny mpiaotra tamin’ny Hvm ka niara-namaritra ny tetika rehetra hikapana ny lohan-dRajoelina no indro tsy menatra miseho vahoaka ka milaza fa “manohana an-dRajoelina”.

Dia misy ny sahy milaza fa “rehefa nieritreritra lalina dia resy lahatra amin-dRajoelina”.

Hatramin’ireo nijoro ho fahavalon’ny hetsi-bahoaka hatramin’ny 2009 sy ny farany teo (Aprily sy May 2018) no indro mijoro ka miseho ho mafana fo manohana an-dRajoelina. Ny sasany dia ireo lohalaharana tamin’ny fampanaovana sy fandraisana kolikoly teny amin’ny Antenimieram-pirenena (Paon d’or) no miseho sehatra manambara ny fanohanany an-dRajoelina.

Amin’ny lafiny iray dia mahamenatra ny toa izany satria izay rehetra avy nandray anjara sy nametraka dian-tanana tamin’ny famotehana ny firenena ve izany dia mihazakazaka mitady lasy hialokalofana mba hanohizana ny fitadiavana tombontsoa manoloana ka na hitohy hatramin’ny famotehana ny vahoaka aza, dia tsy olana satria izay no tarigetra? Aza hadinoina fa matoa misy ny fanaovana “sakaizan’ny mpandresy” toa izany dia tsy ny tombontsoam-pirenena loatra no laharam-pahamehana amin’izy ireny fa ny tombontsoany manokana, ka na izy miaro ny efa azony sy te hampitombno an’izany (acquis), na izy mikatsaka ny mba hisehatra amin’ny fitadiavana tombontsoa manokana amin’izay.

Amin’ny lafiny iray koa anefa dia mety ho takian’ny vanim-potoana ihany ny tranga toa izany, raha mieritreritra ny fahavalom-pirenena eo anoloana ianao. Izany hoe “misy fotoana mahavoatery ny mpifahavalo ara-pôlitika na mpifaninana ara-pôlitika” miara-dalana, raha mieritreritra ny fahavalom-pirenena eo anoloana; ka ny tanjona dia ny hisakana ny fahavalom-pirenena tsy handeresy. Nitranga izany, ohatra tamin’ireny hetsiky ny depiote 73 Ireny izay nahavoatery ny Tgv Mapar sy ny Tim ho tafara-dia. Fa raha hijery ny lavidavitra isika dia ny fiarahan’ny antoko pôlitika tsy mitovy tarigetra sy foto-kevitra tao anatin’ny rafitra iray raha hanohitra an-dRavalomanana tamin’ny 2005-2006-2007-2008-2009, n any tamin’ny fanoherana an-dRatsiraka tamin’ny 1991 sy ny tamin’ny 2002. Tany Shina aza dia voatery niara-dalana ry Mao TSe Toung sy ry Tchang Kai-Chek rehefa hiara-hifanandrina amin’ireo mpanani-bohitra vahiny Japoney, ohatra.

Mbola tsy nisy kosa aloha ny olona toa an’i Monja Jaona izay sahy nanambara tamin’ny fifidianana filohampirenena natao ny faha-7 Novambra 1982 toa izao hoe “tsy mila ny vaton’ireo olona efa nanana dian-tanana nampahantra sy namotika ny firenena sy ny vahoaka Malagasy aho”.

Ny olana anefa, raha ny eto amintsika dia tsy mitoetra fotsiny eo amin’ny fiaraha-miatrika ny fahavalo iombonana ny raharaha fa indraindray dia ireny fahavalo omaly ireny indray no lasa mahazo avara-patana na mitana lakozia fa ny “akoho taman-trano “ lasa eny antokontany. Dia itokisana tokoa ve ny tranga toa izany?

Lire aussi