La Gazette de la grande ile

Siteny sy John Elite : Hividy an’ireo Depiote Mapar indray ?

Publié le 12 octobre 2018

Nanaitra ny mpanara-maso pôlitika maro ny nahita ny fivadiham-pihetsika teo amin’ny depiote Siteny Andrianasoloniaiko sy ny depiote Harijaona Andriarimalala “John Elite”, izay isan’ireo nafana fo tamin’ny fanohanana ny Hvm hatramin’ny 2014, ary isan’ireo nihetsiketsika tamin’ny fividianana  an’ireo depiote nampandany ny lalampifidianana sy ny lalàna hafa tsy tokony ho nahazo ny fankatoavan’ny maro an’isa teny Tsimbazaza. Nivadika lasy izy itreo ka any amin’ny Mapar tarihin’i Andry Rajoelina no nihazakazaka namonjy sambo vaovao satria efa vaky ny “sambo Hvm”’.

Manahy ny maro fa hampiasa ny traikefany amin’ny fividianana depiote ao anivon’ny Mapar ao indray ry zalahy ireo, indrindra fa mbola manana fotoana iasana hatramin’ny valo volana eo ny

Antenimierampirenena amin’izao fotoana.

Asa anefa aloha fa tsy vitsy amin’ireo depiote Mapar koa no somary hafahafa fijery raha nahita azy ireo nahazo avara-patana ka sanatriavin’ny vava, nanariana an’ireo “akohotaman-trano”.

Lire aussi