La Gazette de la grande ile

Fikasàna hanafoana ny fifidianana : Mety hiafara amin’ny famonoana kandidà

Publié le 12 octobre 2018

Tsy manaiky lembenana fa hiady hatramin’ireo farany ireo mpanao pôlitika maniry mafy ny tsy hisian’ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara. Tsara marihana ety amboalohany fa tsy ireo mpanao pôlitika sy ireo kandidà maromaro manao fanambarana sy fihetsiketsehana etsy sy eroa ihany akory no tiana resahina eto fa tafiditra ao anatin’izany mazava ho azy ireo mpanao pôlitika any anaty lapa any, izay mahazo tombotsoa amin’ny tsy hisian’ny fifidianana eto amin’ny firenena. Efa nampiasaina daholo ny tetika rehetra hanakanana ny fifidianana, saingy nandamoka daholo hatreto. Teo ny fidinana an-dalambe teny amin’ny kianjan’ny 13 mey izay niarahan’ny rehetra nahita fa tsy nahasarika olona, ary ny fitoriana samihafa napetraka teny anivon’ny filankevi-panjakana. Tsy mbola manaiky resy anefa ireto farany ankehitriny ary mametraka paik’ady vaovao indray mba ahatongavana amin’ny tanjona na ny iraka hampanaovina azy ireo. Tsy ny fanemorana na fanafoanana ny fifidianana filoham-pirenena intsony no takian’izy ireo, ankehitriny, fa eo ihany koa ny fandravàna ny governemanta, ny HCC ary ny CENI. Nivory nandritra ny ora maro teny amin’ny trano fonenan’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka eny Faravohitra ireo mpilatsaka ho fidiana maromaro izay manohitra ny lisi-pifidianana, omaly alakamisy. Tapaka tao anatin’izay fihaonana izay fa hiverina eny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo izy ireo amin’ity anio ity, ary hitarika olona hanao fihetsiketsehana eny Ambohidahy, eny anoloan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Nantsoina amin’izany hetsika izany avokoa ny mpanao pôlitika rehetra mitsipaka ny fifidianana hatao amin’ny 7 novambra izao. Io indray aloha no paik’ady vaovao hitan’izy ireo fa mety ahatongavana amin’ny tanjona, dia tsy inona izany fa ny hisian’ny savorovoro sy korontana eto amin’ny firenena mba tsy hisian’ilay fifidianana. Raha toa moa ka mandamoka indray io tetika vaovao io, izay inoana fa tsy maintsy hiafara amin’izany noho ny fitakian’izy ireo tsy ho tanteraka mihitsy, dia azo antoka fa tsy maintsy hitady lalan-kafa indray ireto mpanao pôlitika ireto, na ireo mamita iraka eny an-kianja na ireo ao ambadika any anaty lapam-panjakana any. Raha izao no mitohy, mety hiafara amin’ny famonoana kandidà mihitsy izao fikasàna hanafoana ny fifidianana filoham-pirenena izao. Ny lalàna mifehy ny fifidianana mantsy dia milaza mazava fa ny fahafatesana mpilatsaka ho fidiana iray, na inona na inona fomba ahafatesany dia tranga iray tsy azo hanoharana ahafahana manemotra ny fifidianana.

Tandindonin-doza ankehitriny ireo kandidà ho filoham-pirenena satria mety efa misy any ambadika any ny andian’olom-bitsy mikononkonona ny handatsaka ny ain’izy ireo. Efa niarahan’ny rehetra nahita moa ny zava-bitan’ny sasany amin’ity resaka pôlitika ity eto amintsika ka tsy azo hamaivanina mihitsy izany resaka atao izany. Porofo iray mitohoka amin’ny tenda amin’ny fahalotoan’ny pôlitika eto amin’ity Madagasikara ity ny fanapoahana baomba vita tanana teny Mahamasina, ny 25 janoary 2014 sy ny 26 jona 2017 izay nahafatesana olona tsy manan-tsiny. Raha mahavita izany asa fampihorohorona izany ny sasany, mety tsy ho sarotra ho azy ireo koa ny hamono ny iray amin’ireo kandidà ho filoham-pirenena. Heverina fa noho io antony io indrindra no nandraisan’ny governemanta ny fanapahan-kevitra amin’ny fiarovana ireo mpilatsaka ho fidiana rehetra, amin’ny fanomezan’azy ireo mpitandro filaminana. Tsy mba kely lalana mantsy ny ratsy ka mila mailo ny rehetra manoloana izao finiavan’ny sasany hamboly korontana izao mba tsy hisian’ny fifidianana.

                                                                                             F.Tsihiavonana

Lire aussi