La Gazette de la grande ile

Antananarivo sy Faritany : Afa-baraka tanteraka i Hery Rajaonarimampianina

Publié le 08 novembre 2018

Raha ny fifidianana filoham-pirenena aty Afrika no resahina dia somary miavaka ihany ity natao teto Madagasikara omaly ity. Miavaka satria tsy fahita loatra aty Afrika ny hoe filoha am-perinasa milatsaka ho fidiana kanefa tsy hita taratra mihitsy any anatin’ny vokam-pifidianana vonjy maika. Raha ny vokatra vonjy maika azo avy amin’ireo biraom-pifidianana maro manerana ny Nosy mantsy, dia zara raha mahazo vato ny kandidà laharana 12. Na eto amin’ny faritanin’Antananarivo na any amin’ny Faritany hafa rehetra, tsy hita taratra mihitsy ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Amin’ny ankamaroan’ireo birao fandatsaham-bato nahazoana vokatra vonjy maika, tsy mahazo vato mihoatra ny 10 akory ity kandidàn’ny antoko HVM ity amin’ny mpifidy an-jatony isa. Ankoatra an’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana dia mbola misy kandidà hafa no mahazo vato betsaka noho i Hery Rajaonarimampianina, isan’izany ohatra ny pasitera Mahliol, Razafindraosolo Zafimahaleo na i Dama ary ny kandidà Paul Rabary. Misy moa ny Faritra izay noheverina fa mety handresen’i Rajaonarimampianina kanefa mifanohitra tanteraka ny zava-misy satria dia takona tanteraka ny isam-bato azony, tsy mahazo 5 isan-jato akory. Na inona na inona ambara, henatra lehibe ho an’i Hery Rajaonarimampianina izao vokatra azony tamin’ny fiodinana voalohany izao. Izany trangan-javatra izany no ahafahana milaza fa tsy mbola nisy fifidianana tahaka ity teto amin’ny kaontinanta afrikanina satria faran’izay ambany ny vato azon’ny filoham-pirenena am-perinasa izay mbola milatsaka ho fidiana indray. Raha raisina ohatra fotsiny ny fifidianana farany niseho tany Mali, Zimbabwe sy Gabon, dia ny ireo filoha am-perinasa ihany no nivoaka mpandresy ary tamin’ny fomba mazava. Porofo mitohaka amin’ny tenda ny voka-pifidianana vonjy maika nivoaka hatreto fa tsy ny fahazoana olona maro amin’ny fampielezan-kevitra no midika fa mamim-bahoaka ny kandidà iray. Raha jerena tokoa mantsy ny fitetezam-paritra rehetra nataon’ingahy Hery Rajaonarimampianina dia nahavory olona maro tokoa ity kandidà ity, saingy rehefa nilatsaka ny vokatra vonjy maika avy eto Andrenivohitra sy avy any amin’ny Faritany dia mifanohitra tanteraka amin’izany ny zava-misy.

F.Tsihiavonana

Lire aussi