La Gazette de la grande ile

Raha hiteny aminao aho hoe :

Publié le 08 novembre 2018

nandrotsirotsy ny fahatanorana,
namporisika hihoatra izay noraràna
nandravaka ny tantaram-pitiavana,
tan-tsekoly sy an-tsaha maitso mavana,
niaraha-nifaly raha niaraka,
nanambitamby kosa nony nisaraka.
nananatra ihany koa anefa,
nizarazara hevitra sy traik’efa.

Hiran’iza ary izany, fantatrao ve?

Raha lazaiko fa ry zareo tsy nihambahamba,

nitolona niaraka tamin’ny vahoaka,
tsy nitsoaka basy nipoaka,
nihira ny tsindry hazo lena,
nataon’ny mpanan-karena,
niaro hatrany ny tantsaha,
manko ny Mpitondra tsy niraharaha,
nampahalala ny tsy mandady harona,
nanandratra azy tsy voasarontsarona.

Azonao an-tsaina amin’izay angamba?

Raha mbola tsy hitanao dia henoy.

Nitsipaka hatrany ny rà mandriaka,
nokononkononin’ny mpanao politika.
Nikiaka am-pahibemaso ny halatra,
nataon’ireo dahalo ambony latabatra.
Nitarika fanovàna ny foto-pisainana,
hiarovana ny tontolo iainana.
nitaona hiasa fa tsy fotsiny hitazana,
niventy foana ny Fitiavan-Tanindrazana.

Hita sa avela hitohy?

Tsy nanambony tena, tso-piaina lalandava
fa tsy mpitari-bato vilam-bava.
Nandray andraikitra tamin’ny fiaraha-monina
nampihatra ireo tolo-kevitra notononina.
Hatrizao mandaitra ny fijeriny tany afara,
midika izany fa tsy mandroso Madagasikara,
omeko voninahitra tsy an-kisalasala,
sao dia maty vao ramalala.

Afa-po? Izy aloha tarika tsy manam-paharoa e!

Tsindrian-daona aho Rafotsy a!
Tsy andriko ny andro sabotsy.
Tsy maintsy tonga any isika,
na andro mafana na mangatsiaka,
na masoandro mibaliaka na avy orana,
hitehaka ireo akanga sisa nanamborana.
Tsinjoko sahady ny zava-hiseho,
ho latsa-dranomaso hijery MAHALEO.

Tsindrian-daona hijery ny 45 taona,
Nafana dia nafana, tsy nandiso fanantenana.

Rabearimanana Antso

Lire aussi