La Gazette de la grande ile

Andron’ny fifidianana : Mbola nisy ny asan-dahalo

Publié le 08 novembre 2018

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Na teo aza ny fifidianana izay nibahan-toerana tanteraka teo amin’ny fiainan’ny Malagasy, tamin’iny andron’ny omaly iny, dia mbola ny ihany ny faritra sasantsasany manerana ny Nosy no nitranga fanafihan-dahalo mitam-piadiana mahery vaika. Nahitàna izany ohatra tany amin’ny tanàna iray ao anatin’ny distrikan’i Maevatanana, Maintirano ary Morondava. Tany amin’ireto distrika roa farany ireto dia fantatra araka ny loharanom-baovao fa ny biraom-pifidianana mihitsy no notafihan’ireo dahalo. Noho ny fiaraha-mientana  teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona anefa dia voatohatra ihany ireo olon-dratsy ka niverina tamin’ny laoniny ihany ny latsa-bato, ora vitsy taty aoriana. Tany Maevatanana kosa, andian-dehilahy maro no nanafika tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Mahazolampy ka lasan’izy ireo tamin’izany ny omby am-polony maro. Voatery naato mihitsy aloha ny fifidianana satria niroso tamin’ny fanarahan-dia ireo dahalo ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona.

                                                                                           F.Tsihiavoanna

Lire aussi