La Gazette de la grande ile

Antoko HVM : Tsy mety tonga saina

Publié le 16 novembre 2018

Ny 7 novambra teo no niatrika fitsaram-bahoaka rehefa nitantana ny firenena nandritra ny 5 taona latsaka kely ny antoko HVM. Mazava ireny ny vokatra fa tsy mila ity antoko ity hitantana ny firenena intsony ny Malagasy. Raha ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI, omaly hariva, dia manodidina ny 8 % ny isam-bato azon’ingahy Hery Rajaonarimampianina, kandidàn’ny antoko eo amin’ny fitondrana. Toe-javatra izay tsy fahita taty Afrika raha tsy teto Madagasikara ihany. Tsy sanatria ka olona adala daholo akory ny vahoaka Malagasy fa matoa ireny ny isam-bato azon’i Hery Rajaonarimampianina, dia tsy nahafa-po azy ny fitantanan’ny HVM no sady betsaka ihany koa ny fomba ratsy nataon’i Rajaonarimampianina sy ny mpiara-dia azy, tao anatin’ny 5 taona. Na dia efa hita mibaribary izao aza anefa fa naloan’ny vahoaka ny HVM tamin’iny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena iny, tsy mbola mety tonga saina ihany ireo lohandohany mpitarika eo anivon’ity antokom-panjakana ity fa mbola manohy hatrany ny fomba ratsy fanaony. Manaporofo izany ny zava-niseho teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano sy teny Alarobia, ny alarobia lasa teo. Namory olona tao amin’io kianja mitafo io mantsy ny HVM, ary tamin’izany no nanambaran’izy ireo ampahibemaso fa tsy ekena ny voka-pifidianana havoakan’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (CENI) noho ny hosoka sy hala-bato. Inona anefa ny zava-nitranga fa dia olona nokaramaina sy notambazana vola daholo no natao nameno ny kianja, mba hanehoana amin’ny Malagasy fa tena tsy mankasitraka ny voka-pifidianana havoakan’ny CENI ny mpomba ny kandidà laharana faha-12. Tsy vitan’izay ihany fa mbola nisy tamin’ireo olona nokaramaina ireo no nalefa nilanja sora-baventy teny anoloan’ny foiben’ny CENI, eny Alarobia. Tsy mahagaga ary tsy zava-baovao ho an’ny Malagasy intsony izay satria efa fomba ratsy fanaon’ny HVM hatramin’izay io fividianana olona io rehefa manao zavatra. Mahalala izany daholo ny vahoaka malagasy ary isan’ny antony iray nahazoan’i Hery Rajaonarimampianina isam-bato ratsy tahaka izao. Raha olona tonga saina ireo mpitarika ny antoko HVM, dia tokony hahay hanetry tena fa tsy vao mainka hanaratsy endrika eo anatrehan’ny vahoaka. Na inona na inona ambara mantsy, voaporofo tamin’iny faha-7 novambra iny fa filoham-pirenena halam-bahoaka indrindra ingahy Hery Rajaonarimampianina, teto amin’ny tantaran’ity Madagasikara ity. Afaka volana vitsy moa dia ho avy indray ny fifidianana solombavambahoaka, koa asa raha hahazo solombavambahoaka iray hipetraka ao amin’ny Antenimierampirenena ny antoko HVM.

F.T

Lire aussi