Publié le 21 novembre 2018
Isan’ny nahitana lersoka ka niteraka fimonomononana hatrany amboalohany, raha resaka fifidianana filohampirenena teo, ny firafitra ny lisi-pifidianana. Volana vitsivitrsy maromaro lasa izay dia efa nisy ny fanakianana momba an’io lisi-pifidianaa io fa nahodinkodin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) hatrany ny resaka. Nambara ny hoe nanarama olona manokana hitety trano ny Ceni hanao ny fanisana ny mpifidy ka handrakitra izany an-tsoratra (recensement). Dia nisy ny fanadiovan-tena hoe “ireo tsy tratra an-trano dia tokony nanatona ny biraom-pokontany”, sy ny maro tsy ho voatanisa. Dia nisy koa ny angoan-tena nataon’ny Ceni taty aoriana hoe “impiry impiry izahay no naao antso, nanentana ny olom-pirenena mba hanamarina ny anarany any amin’ny lisi-pifidianana alohan’ny hanakatonana azy io, ka tsy tompon’andraikitra amin’izay tsy tafiditra izahay fa ny lalàna dia manipika fa ny faha-15 May no fara-fisokafan’ny lisitra ka izay tsy tafiditra ao dia miandry amin’ny taona manaraka indray” sy ny sisa tsy ho voatanisa e!
Maro ny fanakianana nitranga momba ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana. Tao ny voasoratra indroa na in-telo na in’efatra. Tao ny mbola nahitana olona efa maty an-taonany maro, nefa mbola voasoratra. Nisy ny efa tsy monina eto Madagasikara efa an-taonany maro koa, mbola voasoratra ao. Ny tokony ho tafiditra tao, tsy hita popoka. Fianakaviana maro, mponina ampolon-taonany tao amin’ny fokontany hatrizay dia ny ampahany ihany no hita voasoratra tao anaty lisitra fa ny ampahany, nanjavona, sy ny maro tsy ho voatanisa…
Asa aloha na izahay no lalodalovana na sanatriavin’ny vava marenina fa ny re hatramin’ny taon-dasa dia hoe “handrafitra lisi-pifidianana vaovao…”
Amin’izao fotoana, efa vita ny fifidianana fihodinana voalohany. Manomboka miakatra ny mari-pana eo amin’ny fifandroritana nateraky ny tsy fahatomombanana ny fikarakarana, ary nibahan-toerana goavana tamin’ireny tsy fahatomombanana ireny ny lisi-pifidianana… dia nokibokiboin’ny marina ny Ceni ka nanambara ny alatsinainy teo, tamin’ny alalan’ny filoha lefitra ao, Thierry Rakotonarivo, hoe “isaka ny folo taona no fanavaozana hatrany ifotony ny lisi-pifidianana ka raha tamin’ny taona 2013 no nanaovana izany dia any amin’ny 2023 any indray vao hisy izany”. Nomarihiny fa ny fanavaozana natao tamin’ity dia fanavaozana toy ny fanao isa-taona ihany. Izany hoe voamarina araka ny tenin’i Thierry Rakotonarivo izany fa notambitambenana fotsiny io lisi-pifidianana io , ka izay feno taona tamin’ny fotoana nanavaozana azy no nampidirina. Tsy mahagaga raha mbola hita soritra tao ny maty hatry ny ela. Fa ny tokony hazavain’ny filoha lefitry ny Ceni dia ny hoe “nahoana àry ireo olom-pirenena efa nonina hatrizay tao anivon’ny fokontany, voasoratra isa-taona tao anatin’ny lisi-pifidianana, no tsy hita soritra tao tamin’ity?”
Ndeha hosokafana amin’izay indray aloha ny ady hevitra mba hifampifehezana fa volabe ange no nambara fa nolaniana hanavaozana ny lisi-pifidianana e! Nefa arakarak’izany no mampibaribary ny tsy fahatomombanana, ary volam-bahoaka io na avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena aza no nipoirany. Tsy maintsy efain’ny vahoaka Malagasy amin’ny fomba maro iny vola nenti-nanana ny fifidianana farany teo sy ny ho avy, izay nambara fa famatsiam-bola avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena iny.
Izao mantsy dia efa manentana any anivon’ny Fokontany indray ny Ceni, ary manentana ny olom-pirenena hanatona ny biraom-pokontany hitondra kara-panondro ho an’izay feno taona ka tsy mbola hita tao anaty lisi-pifidianana, na mponina vaovao vao nifindra monina tao amin’ireny fokontany onenany amin’izao fotoana ireny.