La Gazette de la grande ile

Antsirabe : Sarontsaronana vatokely ny lalan-dratsy

Publié le 29 novembre 2018

Voaresaka matetika ny lalana raha ny resaka fandrosoana no asiana topi-maso kely eto amin’ny tanànan’ Antsirabe. Efa tsy voaisa intsony ireo vahoaka velon-taraina fatratra amin’ny haratsian’ny lalana ary saika manerana ny tanànan’Antsirabe dia ahitana lalan-dratsy avokoa. Tsikaritra fa na eo aza ny fanamarihana sy ny fitarainan’ny vahoaka amin’ireny seraseram-pifandraisana ireny dia toa minia tsy misy mihaino ny tompon’andraikitra ary manambara hatrany fa tsy misy ny vola entina anamboarana ny lalana. Lasa zary faheno ity resaka tsy fisiam-bola ity tato ato raha Antsirabe no resahana. Fahavaratra tokoa ity ny andro ka misy ihany ireo mba te-handray andraikitra nefa manao zavatra zara fa vita. Nasiana irony vatokely na katsoaka indray ny lalana izay feno lavadavaka toy ny eo amin’ny lalana mihazo ny tsena Asabotsy izay tena ratsy dia ratsy tokoa ary tsy nisy ny fanamboarana taona maromaro lasa izay. Azo lazaina fa misy fitsinjovana ny vahoaka ihany ny toy izany saingy tsy mahafa-po intsony satria tsy mahavaly ny fitarainana efa aman-taonan’ny mponina eto Antsirabe momba ny faharatsian’ny lalana. Sahirana ny fitaterana sasany mandalo amin’izany lalana feno katosaka izany ary toa vao mainka mampitohana ny fiara sasany, misy fotoana mampianjera olona mihitsy aza. Manainga ny tompon’andraikitra mba hanome fanazavana ny olona izay mangetaheta ny fanamboarana ny lalana farafaharatsiny. Tsy vitsy mantsy ireo mponina no mahalala fa nisy vola nomena ny manam-pahefana iray eto Antsirabe mba hanamboarana ny lalana kanefa hatramin’izao dia tsy hita izay lalana vita fa toa vonjy maika fotsiny ihany ny fametrahana ireo katsoaka amin’ny lalana simba.

Haingo R

Lire aussi