La Gazette de la grande ile

Ravalo sy ny fahefam-panjakana : ny tantara tsy fanadino

Publié le 30 novembre 2018

Iray amin’ireo nanana dian-tanana tamin’ny famotehana ny firenena teto i Marc Ravalomanana. Teboka iray goavana amin’izany ny famatorany ny vahoaka Malagasy hatrany ambadika ny taona 2054 any trosa amin’ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena.

Tranga niseho teto koa ny famotehany ny mpandraharaha ara-toekarena. Tsy hitanisa izahay eto ny tetika maloto nataony tamin’ireo mpandraharaha ara-toekarena isan-tokony, fa ny aina no matezà.

Tsy ny mpandraharaha ara-toekarena ihany no nataon-dRavalomanana nahita faisana, fa ireo mpisehatra pôlitika koa dia nataony nahita ny anganony. Izahay tsy miaro ny tsy fahombiazan’ireny mpisehatra pôlitika ireny. Maro amin’izy ireny no tsy mitovy foto-kevitra aminay satria mitovy amin-dRavalomanana amin’ny maha-bolokim-bazaha azy avy, amin’ny maha-mpanompon’ny mpampanjana-bola iraisam-pirenena azy, amin’ny maha-saribakolin’ny firenen-dehibe sy kilalaon’i Lafrantsa ny maro aminy, saingy amin’ny fanaovana pôlitika kosa dia ny hevitra no miady fa tsy mendrika ny tontolo pôlitika, indrindra raha mitana fahefam-panjakana ianao, no hamotika olona amin’ny fomba mamoehitra.

Raha itodihana ny fito taona nitondran-dRavalomanana teto, (2002-2009) dia inoana fa hahatadidy ny maro ny amin’izay nataony tamin’ireo mpisehatra pôlitika isan-tokony.

Voalohany tamin’ny nianjadian’ny fitaka sy famotehanan ara-pôlitika azy teo anoloan’ny vahoaka ny Pr Zafy Albert. Tsaroan’ny maro tsara, angamba, ilay andro zoma, ankatoky ny faha-22 Febroary 2002 izay nanaovany fianianana voalohany teny Mahamasina, fa nalainy mivantana teny Ivandry ny Pr Zafy ho eny amin’ny kianjan’ny 13 May mba hampitony ny vahoaka. Vahoaka izay tsy nanaiky lembenana intsony satria efa nentanina hatry ny ela fa “horaisin’ny vahoaka ny fahefam-panjakana”. Niangaviany ny Pr Zafy ka nentiny teny. Dia nikabary tamin’ny vahoaka teo. Nihiaka nanohitra ny Pr Zafy ny vahoaka ary nisy ny nitoraka voatabia. Teo imaso imaso teo ihany Ravalomanana dia nivadika tamin’ny teny nataony tamin’ny Pr Zafy ka nilaza fa “hanao ny fianianana eny Mahamasina rahampitso 22 febroary”. Nentim-pahatsorana ny Pr Zafy raha niangaviany saingy ohatran’ny nentiny hopotehin’ny vahoaka teny amin’ny kianjan’ny 13 May.

Rehefa nitondra fanjakana indray koa Ingahy Ravalomanana dia nisy ny hetsika fanehoan-kevitra toy ny fanaon’ny mpisehatra pôlitika, niakatra teny amin’ny kianjan’ny 13 May. Nandefasan-dRavalomanana an’ireo mpikarama an’adiny teny, nampiasa herisetra tamin’ireo mpisehatra pôlitika tonga teny. Isan’ny nihatran’izany ny Pr Zafy, ny Depiote Faharo, ry Daniel Ramaromisa, sy ny maro hafa. Ny tranga hafa ankoatra ireo tsy ho voatanisa.

Ny Amiraly Ratsiraka moa dia hatramin’izao mbola mampahatsiaro hatrany ny fivadihan-dRavalomanana tamin’ny fifanarahana nataony sonia tany Dakar. Soa fa nisy ny hetsi-bahoaka tamin’izany, nialokalofan-dRavalomanana fa eo amin’ny toe-tsain’olona mpanao pôlitika, raha tena mpanao pôlitika, indrindra fa mihevi-tena ho olom-panjakana, dia tsy fanao fa fahotana ny fivadihana amin’ny fifanarahana nataonao sonia, nefa tsy novozonana na noterena ianao nanao sonia an’izany. Ny tranga hafa nanaovany ny Amiraly Ratsiraka, tsy hotanisaina eto.

Isan’ny nitondra faisana tamin-dRavalomanana koa i Tantely Andrianarivo, Praiminisitr’Ingahy Ratsiraka. Mba miendrika fanitsakitsahana ny zo maha-olona ny tsy fanomezan-dRavalomanana ny farafahakeliny tamin’ny zo maha-olona tokony nisitrahany. Tamin’ny fotoana nitondran-dRavalomanana, raha nogadrainy teny am-ponja i Tantely Andrianarivo ka tratry ny tsy fahasalamana, dia notsaboina teny amin’ny Hôpitaly Miaramila teny Soavinandriana. Rehefa tonga hanati-tsakafo ho azy ny vadiny ka sady hanolo ny akanjony, dia tsy azon’izy ireo natao ny mikononkonona mihidy aman-trano, fa amin’ny toerana imasom-bahoaka no tsy maintsy nanaovana izany. Mba rariny ve izany na inona tsy fitovian-kevitra pôlitika na inona?

Ny an’i Pierrot Rajaonarivelo koa dia tsy mifanalavitra amin’izany. Na tsy voagadran-dRavalomanana teto an-tanindrazana aza izy dia natao taminy avokoa izao antsojay isan-karazany izao: Fandrarana azy tsy hahazo mitodi-doha an-tanindrazana (Notam), fandefasana mpitandro ny filaminana nihady ny tontolon’ny tranon’i Pierrot Rajaonarivelo na teto Antananarivo na tany Toamasina fa hoe “naleviny ambanin’ny tany ny volabe”. Nangaina ireo nasaina nihady ny toeram-ponenan’i Pierrot Rajaonarivelo, natrehin’ny vadin-tany. Tsy nataony nahita faisana ve i Pierrot Rajaonarivelo tamin’izany? Ny fihetsika hafa nisehoan’ny antsojay taminy moa, tsy ho hary hotanisaina eto avokoa.

Ny Pastora Andriamanjato Richard koa dia isan’ny nataon’i Marc Ravalomanana nahita faisana raha nametra-panontaniana azy momba ilay taratasy manana endrika “fanamarinana” na “ certificat” milaza fa “nanao fifanarahana tamin’i Satana i Marc Ravalomanana”.

I Voninahitsy Jean Eugène koa dia nogadrainy am-ponja in-droa miantoana, ary nanaovany farateny mihitsy fa “tsy havelany ho tafavoaka velona eto raha mbola filohampirenena ny tenany”.

I Herizo Razafimahaleo koa dia nataon-dRavalomanana nifofo volo, hoy ny fitenenana, fa nataony hazalambo ka tsy namelany mihitsy raha tsy potika ny tontolom-pihariana teo ampelan-tanany (Afoma, fanaovana labozia, Stédic…).

Na i Edgard Razafindravahy aza dia isan’ny nampitondrain-dRavalomanana faisana tamin’ny fanamparam-pahefana nataony. Nisahana seha-pihariana amin’ny tontolon’ny lafarina (Kobama) i Edgard Razafindravahy, ka nopotehin-dRavalomanana hatramin’ny farany satria nidirany io tontolom-pihariana lafarina io.

Teo amin’ny sehatra pôlitika moa dia isan’ny nanompanan-dRavalomanana ny heriny ny namotehana an-dry Zakahely Boniface tany Mananara Avaratra, Saina Michel tany Fenoarivo Atsinanana, Mara Niarisy tany Ankazoabo Atsimo, Faharo Ratsimbalison tany Belo Tsiribihina, Jao Jean tany Antsohihy, sy ny maro tsy ho voatanisa e!

I Andry Rajoelina manokana moa dia ireny niarahantsika nahita teto ireny fa nanomboka tamin’ny seha-pihariana dia ny orin’asa “Injet” no tsy navelan-dRavalomanana raha tsy sasatra ny niarina. Rehefa lasa ben’ny tanànan’Antananarivo indray Rajoelina dia ireny nokapain-dranjo isa-minitra ireny, ary hatramin’ny haino aman-jeriny (Viva) no nakatona.

Mbola azo tohizana ny fitanisana, fa na ireo olon’ny Tim tamin’izany aza, dia nisy ny nampitondrain-dRavalomanana faisana, toa an-dRajemison Rakotomaharo sy Radavidson Andriamparany. Ity farany aza moa dia nokasainy novonoina tamin’ny fiaramanidina mihitsy tany Alaotra. Nahazo ny anjarany hatramin-dry Lahiniriko Jean ange tamin’izany, raha nanao fitsidihana tany Iran fony izy filohan’ny Antenimierampirenena izy e! Mbola azo singanina koa ny nanaovan-dRavalomanana ny Jeneraly Andrianafidisoa fa tany Tsiafahy no nahibony, nefa isan’ny vy nahitana sy angady nananany ny fahefam-panjakana tamin’ny 2002 ny Jeneraly Fidy.. Toraka izany ny Jeneraly Bolo tao amin’ny pôlisim-pirenena.

Fa ny tena nizaka ny taolam-be tsy nitapaka avy amin-dRavalomanana dia ny vahoaka Malagasy e! Dia sanatriavin’ny vava ve, olona adala ny vahoaka ka raha nahita soa tamin’ny fitondrana Ravalomanana dia ho nidina an-dalambe tamin’ny taona 2009?

Ka amin’izao hirosoana amin’ny fifidianana fihodinana faharoa ho amin’izay ho filohampirenena izao, iniana hadinoina ka hambara hoe “aoka ny lasa homba ny lasa” ve ny raharaham-pirenena? Iza no afaka hiantoka fa izany fihetsika nataon-dRavalomanana namotehana olona izany, na ara-pôlitika na ara-toekarena… no tsy haveriny intsony raha sanatriavin’ny vava ka tafaverina eo amin’ny fitondrana izy ?

Dia hinian’ireo sehatra pôlitika nisy an’ireo olona ireo, na ny mbola velona na ny efa  lasan-ko razana hadinoina ka hikimpiana fa hoe “hanohana an-dRavalomanana satria misy vola any ary nanandratra ny fihavanam-pirenena izy” ve izany rehetra izany ?

Lire aussi