La Gazette de la grande ile

Fiangonana sy pôlitika : Ravalomanana irery no sahy nanakatona fiangonana

Publié le 06 décembre 2018

Ny tantara tsy mba fanadino, hoy ny fomba fitenenana. Tranga iray nanamarika ny fitondrana Ravalomanana, izay tsy ho adinon’ny Malagasy na oviana na oviana mihitsy ny fanakatonana ny FPVM na ny Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara eny Antaninanandrano. Raha tsiahivina dia ny 05 oktobra 2005 no tonga nanakatona ny fiangonana ny iraka avy amin’ny ministeran’ny Atitany, niaraka tamin’ny mpitandro filaminana mitam-piadiana maro. Ity fanakatonana ny FPVM ity no anisan’ny raharaha voalohany nahatonga ny mpanara-baovao maro nilaza fa mpitondra mpanao didy jadona i Marc Ravalomanana izay mbola tao anatin’ny heriny tanteraka, tamin’izany fotoana izany. Vao 3 taona monja manko no nahatongavany teo amin’ny fahefana rehefa niseho ity fanakatonana fiangonana ity. Na teo aza ny fanazavana samihafa izay nentin’ny fanjakana tamin’ny alàlan’ny ministeran’ny Atitany, dia samy resy lahatra avokoa ny mpandinika ny raharaham-pirenena tamin’izany fotoana fa resaka zavatra hafa mihitsy no tao ambadik’ity raharaha ity fa tsy araka ny fanazavana nomen’ny manam-pahefana. Efa nitàna ny toeran’ny filoha lefitra eo anivon’ny Fiangonan’ny Jesosy Kristy eto Madagasikara (FJKM) ingahy Marc Ravalomanana, tamin’io fotoana io, ka tsy nahagaga raha nakatony ny fiangonana izay noraisin’ny FJKM ho mpamadika azy. Tsara marihana ihany fa mpitandrina sy mpino nisintaka tao amin’ny FJKM Andravoahangy Fivavahana no nanorina ny fiangonana FPVM ka tsy kisendrasendra raha nanome baiko ny hanakatonana azy i Marc Ravalomanana.

Iray tamin’ireo fikambanana nanao fanambarana ary naneho ny heviny momba izay fanakatonana ny Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara izay ny SEFAFI na ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena. Raha tsiahivina, nilaza ny SEFAFI tao anatin’ny fanambarana nataony fa nisy tokoa ny didim-pitondrana navoakan’ny ministeran’ny Atitany izay manakatona ity fiangonana zandriny iray ity, saingy tsy mifanaraka tamin’ny mety ho fahadisoana nataon’ny fiangonana ny fepetra na ny sazy noraisin’ny fitondrana Ravalomanana, dia tsy inona fa ny fanakatonana tanteraka ny fiangonana.

“Fanohintohinana ny filaminam-bahoaka no voalaza fa antony namoahana ny didim-pitondrana manakatona ny fiangonana. Voalaza fa tsy manaja ny elanelana na ny halavirana amina fiangonana iray amin’ny fahafahana manangana tranom-pivavahana vaovao ny FPVM. Ampangaina ho naka tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny tranon’ny FJKM ary mampiasa fanamafisam-peo diso mafy loatra izay manakorontana ny fiaraha-monina. Na nisy aza ireo fandikan-dalàna vitsivitsy ireo, dia tsy ny fanakatonana ny foiben’ny fiangonana mihitsy no fepetra tokony noraisin’ny fanjakana”, hoy ny ampahan’ny fanambaran’ny SEFAFI, tamin’izany fotoana. Nametra-panontaniana moa ny fikambanana amin’ny hoe: “sao dia mba fanitsakitsahana ny fahafahana mivavaka (liberté de religion) no ataon’ny fitondrana? Rehefa jerena akaiky mantsy ny raharaha dia tahaka ny resaka valifaty avy amin’ny FJKM no tena ao ambadik’izao fanakatonana ny FPVM izao”.

Hevitra ny SEFAFI taorian’ny fiangonana efa nakatona moa izay nampatsiahivina teo ambony izay fa saika nitovy tamin’io avokoa ny hevitry mpandinika ny raharaham-pirenena, tamin’ny fotoana nitrangan’ity raharaha ity. Tsara marihana fa teo amin’ny tantaran’ny firenena malagasy, taorian’ny niverenan’ny fahaleovan-tena dia ingahy Marc Ravalomanana no hany filoha nanakatona fiangonana. Na ny amiraly Didier Ratsiraka, ny profesora Zafy Albert ary i Andry Rajoelina dia tsy nanakatona fiangonana tamin’ny fotoana nitantanan’izy ireo ny tany sy ny fanjakana. Na tiana na tsy tiana, na inona na inona ambaran’ireo mpomba an-dRavalomanana, dia tranga iray nandalo teo amin’ny tantaran’ny firenena izany ka tsy tokony adinoina.

F.Tsihiavonana

Lire aussi