La Gazette de la grande ile

Halatra Sprinter : Olona 4 naiditra vonjy maika eny Antanimora

Publié le 06 décembre 2018

Ny 31 aogositra lasa teo no naharay fitarainana ny pôlisy eo anivon’ny Borigady misahana ny heloka bevava sakelika faha-3 (BC3) fa nisy ny fiara Mercedes Sprinter voaroba teny Mahamasina, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany maraina, tamin’io andro io ihany. Ny zoma 29 novambra lasa teo kosa vao tra-tehaky ny mpitandro filaminana ireo voarohirohy ka ny alatsinany teo izy ireo no naiditra am-ponja vonjy maika eny Antanimora, taorian’ny fanolorana azy ireo ny fampanoavana. Miisa 4 ireo voasambotra ka renim-pianakaviana ny iray. Raha hiverenena kely ny tantara, lehilahy miisa 2 no naka an-keriny ity fiara ity, tamin’io andron’ny 31 aogositra io. Nohambanan’izy ireo sabatra ny mpamily ary nentina nitsoaka ny fiara. Teny amin’ny Complexe Ampefiloha no nasaina nidina ny mpampily. Taty aoriana anefa dia fantatra araka ny fikarohana natao fa lasa manao taxibe ao amin’ny zotra F mampitohy an’Ampefiloha sy Ambatofotsy ilay fiara very. Nataon’ny pôlisin’ny BC3 avy hatrany ny fitsirihana teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny ka teo no hita fa izy tokoa ity fiara nanaovana fitsirihana ity. Efa novaina manontolo ny lokon’ny fiara, saingy nisy ny marika namantaran’ny tompony azy. Noraisim-potsiny ireo mpangalatra taorian’izay satria nofandrihana tamin’ny alàlan’ilay mpamily. 3 lahy izy ireo no voasambotra tamin’io andro io, tra-tehaka ihany koa ny vehivavy iray izay voalaza fa nikarakara ny taratasy sandoka rehetra. Ny alatsinainy teo ireto farany no niakatra fampanoavana teny Anosy ary avy hatrany dia nalefa eny Antanimora.

                                                                                                    F.Tsihiavonana

Lire aussi