La Gazette de la grande ile

Ravalomanana : Mpanao kobaka am-bava

Publié le 17 décembre 2018

Nandrasan’ny olona maro ny fifanatrehana faharoa teo amin’ny kandida Ravalomanana sy ny kandida Rajoelina tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana alina. Tsikaritra aloha fa raha nampitahaina tamin’ny fifanatrehana voalohany, herinandro lasa izay, dia somary tsy nafana loatra ny ady hevitra omaly.

Teo amin’ny vontoatin’ny fanazavana kosa dia kinga kokoa Ravalomanana nitondra fanazavana, saingy ny maro izay nanaraka ny raharaham-pirenena hatrizay dia samy nilaza fa “kobaka am-bava no betsaka”.
Samy efa nitondra ny fahefam-panjakana faran-tampony teto mantsy na Rajoelina na Ravalomanana, saingy ny fanazavana nataon-dRavalomanana dia tena maro no azo ihinanam-bary na mampatory mitsangana, hoy ny fitenenana izay, raha tsy nahafantatra ny nataony.
Izay mantsy no mbola maha-marina hatrany ny fahendrena Malagasy hoe “atao dian-tana ny raharaha ka itodihana ny lasa, banjinina ny ankehitriny hahafahana miatrika ny ho avy”.
Na ahoana na ahoana dia tsy afaka ny tsy hitodika ny lasa ianao dia mampifandray ny hitanao tamin’ny lasa amin’ny iainana ankehitriny sy izay ho avy. Sarotra mantsy ny hametraka resaka matavy fotsiny amin’ny hoe “aoka ny lasa homba ny lasa”, sy ny hoe “efa niova izy fa nisintonany lesona ny niainany teo anelanelan’ny 2009-2018”.

Raha izay tokoa no marina dia tsara raha tsy asiana fifidianana fa izay olona naneho fiovana imason’ny besinimaro dia averina avy hatrany eo amin’ny fahefana.
Izay no mahatonga anay hanipika fa mpanao kobaka am-bava Ingahy Ravalomanana.
Navoitrany hatrany mantsy ny hoe “ilàna fahaiza-mitantana ny raharaha”. Mialokaloka ao anatin’io izy fa ny tena nataony dia “jadona”. Samihafa mihitsy ny “fahaiza-mitantana” sy ny “pitondra hentitra” amin’ny mpitondra mpanao jadona. Ity farany no nahafantarana an-dRavalomanana.

Raha tsy jadona ve no nataony teto dia ho marobe ny olona nogadragadrainy tsy tamin’antony fa namoroporonana antontan-taratasin-keloka teto? Porofon’izany ny fandrahonany olona mivantana fony izy filohampirenena. Raha misy olona miresaka aminy ka tsy mitovy hevitra aminy na fantany fa manohitra ny heviny, dia mivantana izy miteny hoe “gadraiko ianao satria izaho ange ka filohampirenena e!” Fahaiza-mitantana ve izany sa fitondrana entitra” sa “jadona sy fanamparam-pahefana”.

Nitondra famaritana ny antsoina hoe kolikoly koa izy alina. Dia nohazavainy fa « fifanarahana manokana ifanaovan’olona roa ka mifototra amin’ny zavatra tsy ara-drariny na tsy ara-dalàna ». Tsy diso akory izany saingy iza no tena nanao an’izany raha nitana ny fahefam-panjakana teto ? Io izao dia efa endriky ny fialokalofana ao ambadiky ny fahaiza-mandahatra. Satria namaritra ny antsoina hoe “kolikoly” Ingahy Ravalomanana, ary milaza izy fa “izy no namorona ny Bianco”. Dia izany ve dia ahafahana milaza fa “tsy manao kolikoly fa anjely latsaka an-tany ny tenany”? Izay minisitra rehetra tao anatin’ny fitondrana fony Ravalomanana no filoha dia vaky vava avokoa fa norahonany ho tsy mahazo mandray an’ireo mpamatsy vola na mpampiasa vola na vondrom-barotra tonga hanao zavatra eto, na tontolo iainana na inona na inona. Tsy mahazo mandray mialoha an’ireny sokajin’olona ireny ireo minisitra fa tsy maintsy izy Ravalomanana no mandray voalohany. Dia maka ny anjarany izy. Kolikoly izany fa tsy inona. Ary mody navoitrany moa hoe “rehefa tonga kosa ve ny krismasy ka misy olona tonga manome mari-pankasitrahana anao dia kolikoly ve izany?” Izay ilay maha-rain’ny mpanao kolikoly azy.

Efa noresahintsika teto koa fa ny findramam-bola avy any ivelany tamin’ny fotoana naha-filohampirenena azy dia tsy ny tetikasa hovatsian’iny vola iny loatra ny laharam-pahamehana aminy fa ny anjarany na izay tsy maintsy ho azony hampiasainy ao amin’ny orin’asany. Vao navoakantsika teto tamin’ny zoma fa hatramin’ny Vokovoko Mena Malagasy no noteren-dRavalomanana ho tsy maintsy manome azy ny entana tonga avy any ivelany hikarakaran’ny Vokovoko Mena ny vahoaka. Dia ny fikambanana Tiko notarihin-dRavalomanana Lalao no miseho ho tsara fanahy any anivon’ny fiaraha-monina satria mitondra fanampiana ny vahoaka avy amin’ny entan’olona (Vokovoko Mena, ohatra)

Niresaka ny tontolon’ny fananan-tany izy, nefa izy no lohalaharana mandroba ny tany sy toerana tsara teto. Manomboka amin’ny toerana misy ny fotodrafitrasan’ny Kaominin’Antananarivo eny Anosipatrana, izay nalainy an-keriny ho an’ny “Mbs”, nitohy tamin’ny tanànan’olona eny Faravohitra, ny tanimbarin’olona maro any Vohidiala Ambatondrazaka, ny tranon’ny Somacodis, Paositra Malagasy, ny Coroi, sy ny maro tsy ho voatanisa…

Dia izy indray omaly no mody miana-kendry miteny hoe “misy titra ange ny zavatra ka azo jerena any amin’ny sampan-draharaham-panjakana ny momba izany” e! Dia iza eto no hanana fahasahiana hanohitra an’Ingahy Ravalomanana tamin’izany fotoana, satria mitana ny fahefam-panjakana amin’ny maha-filohampirenena azy izy amin’io? Tsy te hogadraina avy hatrany?

Maro ny azo tanisaina fa isika mpamaky dia azo antoka fa afaka manohy ny fitanisana, fa ny anjaranay dia ny manokatra ny masom-panahin’ny ambanilanitra mba  tsy hanadino ny lasa ary hibanjina ny ho avy.

Lire aussi