La Gazette de la grande ile

Andry Rajoelina : « Ho filohan’ny Malagasy rehetra aho »

Publié le 09 janvier 2019

Tsy niandry ela fa ora vitsy taorian’ny namoahan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny voka-pifidianana ofisialy, dia nanao fanambarana voalohany amin’ny maha filohan’ny repoblika vaovao azy i Andry Rajoelina, teny amin’ny ARENA Ivandry. Fohy kanefa mazava ny hafatra nataon’ny filoham-pirenena vaovao tao anatin’izay fanambarana voalohany izay. Nambarany fa ho filohan’ny Malagasy rehetra ny tenany, na ireo nifidy na ireo tsy nifidy azy, mandritra ny taona manaraka. “Ho filohan’ny Malagasy iray manontolo aho manomboka eto. Fampandrosoana ho an’ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka no entiko, fampandrosoana izay hiantraika amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Tao anatin’ny fitetezam-paritra nataoko dia tsapako sy hitako ny fahantrana lalina hiainan’ny isan-tokantrano. Mipotsaka ankehitriny ny masoandro ho an’i Madagasikara ka samy hahazo ny anjara masoandrony avokoa ny Malagasy rehetra”, hoy ny filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoelina. Ankaotra izay, nambarany fa pejy vaovao no hisokatra manomboka eto, ary Madagasikara amin’ny endriny vaovao no haseho amin’izao tontolo izao fa tsy ilay Madagasikara gisitra intsony. Tsy nanadino ny fisaorana mitafotafo ho an’ireo andri-panjakana rehetra niara-nisalahy tamin’ny fanatontosana an’iny fifidianana filoham-pirenena iny ihany koa ny filoha vaovao tao anatin’ny fanambarana nataony. Nosinganiny manokana tamin’izany ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana izay ambarany fa niasa tao anatin’ny fomba matihanina sy manara-penitra, ary indrindra fa ny vahoaka malagasy nandatsa-bato tamin’iny fifidianana filoham-pirenena iny. Araka ny fanazavany tao anatin’izay fanambarana izay ihany dia efa niarahaba azy tamin’izao fahalaniany izao ny mpifanandrina taminy, Marc Ravalomanana. Heverina fa mbola kabary savaranon’ando no nataon’ny filoham-pirenena vaovao omaly iny fa amin’ny fotoana hanaovana ny lanonana ara-pitsarana manetriketrika ho fametrahana azy amin’ny fomba ofisialy amin’ny toerany no hanao kabary miezinezina ho an’ny vahoaka Malagasy ny tenany.

                                                                                                    F.Tsihiavonana

Lire aussi