La Gazette de la grande ile

Fianakaviambe iraisam-pirenena : Nanao sesilany ny fiarahabana ny filoha Malagasy vaovao

Publié le 10 janvier 2019

Fomba fanao eo amin’ny sehatry ny diplaomasia ny fiarahabana ny filoha vaovao voafidim-bahoaka ao anatina firenena iray. Taorian’ny famoahan’ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, omaly, dia nanao sesilany ny fiarahabana ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara vaovao, Andry Nirina Rajoelina. Ny harivan’ny talata teo ihany dia namoaka fanambarana miarahaba ny filohan’i Madagasikara vaovao sy ny vahoaka malagasy tamin’ny fahavitan’ny fifidianana filoham-pirenena ny filohan’ny kaomision’ny Vondrona Afrikanina, Moussa Faki Mahamat. Taorian’izay dia nanao ny azy ihany koa ny fanjakana frantsay taminny alàlan’ny masohivohony monina sy miasa eto amintsika, Veronique Vouland. Nanaraka kosa avy eo ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana izay niarahaba an’i Andry Rajoelina sy ireo rafitra rehetra niasa tamin’ny fanatontosana ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy nifarana teo fa nisesisesy ny fiarahabana avy amin’ireo firenen-dehibe mpiara-miombon’antoka sy manana fifandraisana akaiky amin’i Madagasikara. Isan’izany ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina, Royaume-Uni, Alemana ary i Japana. Marihana fa zava-baovao ho an’i Andry Rajoelina izao fiarahabana azy misesisesy avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena izao satria tamin’ny fotoana nandraisany fahefana, tamin’ny taona 2009, dia ny fanamelohana azy tamin’ny fanonganam-panjakana voalaza fa nataony tamin’izany fotoana izany aza no nanao tohivakana. Tsara marihana koa fa eo amin’ny sehatry ny diplaomasia sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, dia manan-danja lehibe ny fiarahabana ny filoham-pirenena tahaka izao satria iny no midika fa mankasitraka na mankatoa ny fitondrana vaovao hijoro eo ilay firenena.

                                                                                                 F.Tsihiavonana

Lire aussi