La Gazette de la grande ile

Mahitsy : 20 lahy nanafika «grossiste», voatifitra ny tompony

Publié le 11 février 2019

Tsy mitsahatra mirongatra ankehitriny ny tsy fandriampahalemana na dia milaza ny tsy hitsitsy amin’ireo jiolahy sy dahalo aza ny fitondrana ankehitriny. Mpamogady na “grossiste” iray indray ao Mahitsy indray no lasibatr’ireo jiolahy, ny sabotsy hariva lasa teo. Teo amin’ny 20 lahy no nanafika tamin’io fotoana io ka naratra mafy voatifitra teo amin’ny kibony ilay mpamogady ary tsaboina eny amin’ny HJRA, amin’izao fotoana izao. Raha hiverenana ny zava-nitranga, vao nikatona ity mpamogady zava-pisotro ity, tokony ho tamin’ny 8 ora alina teo ho eo, dia tonga ireo jiolahy nitondra basy hamaky ny trano. Tsy nanaiky mora anefa ny tompon-tsena izay manana basy ka namaly tamin’ny tifitra. Raikitra teo ny fifampitifirana ka voatifitra teo amin’ny kibony ny tompon-tsena. Na teo aza ny pao-basy izay nanakoako eran’ny tanàna, dia tsy mbola nitsoaka ireo jiolahy fa niditra tao amin’ilay trano fivarotana ary naka ny vola rehetra vidin’entana tao. Tsi vitan’izay ihany fa mbola niakatra tao ambony rihana tao amin’ny trano fonenan’ilay mpamogady ireo jiolahy ary nanery ny vadin’ity farany hamoaka ny vola rehetra mipirina. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa niharan’ny herisetra ihany koa ilay renim-pianakaviana, tamin’io fotoana io. Rehefa natao moa ny fanadihadiana dia azo ambara fa efa fantatr’ireo jiolahy tsara ny fipetraky ny vola tao amin’ity toeram-pivarotana ity, izay midika fa mety misy olona akaiky an’ilay mpamogady no mpiray tsikombakomba amin’ireo jiolahy. Raha ny fantatra dia vola an-jatony tapitrisa no lasan’ireo olon-dratsy tamin’ity fanafihana ity.

F.Tsihiavonana

Lire aussi