La Gazette de la grande ile

Manjakamiadana : Tsy anjakan’ny Hovalahy

Publié le 11 février 2019

Amin’izao fotoana hanarenana ny Rova Manjakamiadana izao dia tonga ao antsaina avy hatrany ny ampaha-tantara mahakasika ity rova Ity.

Tamin’ny andron’Andrianampoinimerina no tena lasa Rova nalaza teo Manjakamiadana rehefa nafindra teo amin’io toerana io ny fanjakana. Efa nisy mpanjaka teo amin’io  toerana io tao alohan’ny nahatongavan’ Andrianampoinimerina teo.

Toa ny Lapa sy ny Rova rehetra manerana an’i Madagasikara sy ny faritra rehetra dia manana ny hasiny sy ny fombany  ary ny fadiny ny toerana toa ireo ka mila fitandremana be dia be.

Rehefa niady fahefana ny « hovalahy » na ireo antsoina hoe « Tsimiamboholahy » satria tsy avy amin’ny taranak’ Andriamasinavalona izy ireo.

Nisy hafatr’ Andriambelomasina mahakasika ny hoavin’ny fanjakana eto Imerina, dia nisy ny hafatra nataony tamin’izany fotoana izany. Mbolananafatra koa Andrianampoinimerina momba izany. Samy  nilaza ny tsy tokony hanjakan’ny Hovalahy eto Imerina avokoa izy ireo.

Rehefa novonoin’i Radama voalohany  i Andriamahazonoro sy Ratsilikaina izay olon-kendry Antemoro nafaran’ Andrianampoinimerina hampianatra ny fahaiza-manao sy ny sivilizasiona teto Imerina  ary ny fanandroana sy ny hasina teto Imerina, dia nanozona izy fa tsy hanjaka eto Imerina intsony ny lehilahy fa fanjakam-behivavy no hisy eto ny taona 1826 no nisian’izany.

Ny taona 1828 dia maty  maty Radama voalohany ka ny vadiny no lasa mpanjaka teto Imerina izay nantsoina hoe Ranavalona voalohany. Ady be no nitranga tamin’izany tao an-dapa.

Nohararaotin’ny hovalahy hangalana fahefana an-kolaka izany. Natsangana ny praiminisitra ka hovalahy izay tan-dapa no natao tamin’izany. Nanomboka teo dia nikatsaka hanjaka ny hovalahy ka i Rainilaiarivony no praiminisitra niara nitantana ny fanjakana teto Imerina. Ny mpanjakavavy teto Imerina rehetra dia namoahana lalàna fa tsy maintsy vadin’i Rainilaiarivony avokoa. Ny praiminisitra Rainilairivony no nitondra ny fanjakana Merina. Na dia vadin’ny mpanjaka avy telo ireo aza Rainilaiarivony dia tsy nahazo nipetraka teo amin’ny Rova Manjakamiadana. Isan’ny antony nanorenana ny Rovan’Andafiavaratra izany.

Tsy nahazo nipetraka tao amin’ny Rova Manjakamiadana ny tsy taranak’Andriamasinavalona. Maro no fady ao ary sarotra no miaro ny fomba hasina ao.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi