La Gazette de la grande ile

Fitantanana ny firenena : Aza afangaro ny jadona sy ny fanjakana tan-dalàna

Publié le 11 février 2019

Tsy misy angamba no handà fa anisan’ny namotika ity Madagasikara ity ary nahatonga azy ho anisan’ireo firenena mahantra indrindra maneran-tany ny tsy fisian’ny fanjakana tan-dalàna na ny “etat de droit”. Tsy mahagaga raha manjaka eto amin’ny firenena ny gaboraraka satria tsy voahaja araka ny tokony ho izy ny lalàna velona, manomboka amin’ny lalàna kely indrindra, hatramin’ny lalàmpanorenana. Noho izay gaboraraka na tsy fanajàna ny lalàna mifehy ny firenena sy ny fiarahamonina izay no mahatonga ny olom-pirenena maro hilaza ankehitriny fa mila mpitondra mpanao didy jadona i Madagasikara raha tiana ny hisian’ny fanovana sy fandrosoana. Diso tanteraka anefa izany hevitra izany satria tsy ny fametrahana fitondrana didy jadona no ilaina eto Madagsikara fa ny fametrahana ny tena fanjakana tan-dalàna. Ny zavatra hita sy tsikaritra tato ho ato, hatramin’ny nijoroan’ny fitondrana Rajoelina, dia betsaka amin’ny olom-pirenena no mampifangaro ny atao hoe “didy jadona” sy ny “fanjakana tan-dalàna”. Raha voasambotra ka nampidirina am-ponja vonjimaika ohatra ireo mpivady izay nanopa ny filoham-pirenena tao anaty tambazotran-tserasera Facebook, dia betsaka no nanome tsiny ny fanjakana ary milaza fa fitondrana mpanao didy jadona no misy eto, amin’izao fotoana izao. Tsara marihana anefa fa misy ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena izay milaza mazava fa voaràra ary mahavoasasy ny manopa olona, na olon-tsotra na manam-pahefana. Rehefa manomboka hentitra amin’ny fampiharana ny lalàna ny fitondrana mijoro ankehitriny dia mihevitra ny olom-pirenena sasany fa fitondrana jadona no ezahan’ny mpitondra vaovao hapetraka. Zatra niaina tao anatin’ny gaboraraka mantsy ny Malagasy tao anatin’ny taona maro ka misy ireo tsy mankasitraka ny firosoana amin’izany fanjakana tan-dalàna izany. Inona moa no atao hoe “fanjakana tan-dalàna” fa ny tokony hanajàn’ny olon-drehetra ny lalàna velona eto amin’ny firenena, ary ny fanasaziana ireo rehetra mandika lalàna, na olon-tsotra na mpitondra fanjakana.

F.Tsihiavonana

Lire aussi