La Gazette de la grande ile

Andoharanofotsy : Pôlisy avy namaky trano voasambotra ny zandary

Publié le 07 mars 2019

Ny mpitandro filaminana izay tokony hiaro ny vahoaka sy ny fananany indray ankehitriny no miaraka amin’ny jiolahy manafika tokantrano. Teny amin’iny kaominina Andoharanofotsy iny no nisehoan’izany, omaly, tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Tokantranona mpanefoefo iray eny an-toerana no notafihana andian’jiolahy mitam-piadiana manodidina ny 15 teo ho eo, tamin’io fotoana io. Tsy tafatsofoka tao anatin’ilay trano notafihana anefa ireo jiolahy noho ny fitaovana fiarovana ny trano efa ary fomba. Nampandre ny zandary avy hatrany ny tao an-trano ary tao anatin’ny fohy ihany dia tonga ireto farany. Efa vaky nandositra daholo anefa ireo jiolahy ka raikitra teo ny fanenjehana nataon’ny zandary. Tany amin’ny faritr’i Bevalala tany no voasambotra ny iray tamin’ireo jiolahy nanafika raha tafaporitsaka daholo ny ambiny. Raha ny fanazavana azo dia latsaka teo am-pitsoahana ny basy nentin’io jiolahy io ka teo am-piverenana haka ny basiny izy no voasambotr’ireo zandary nanenjika. Rehefa natao ny fanadihadiana teny amin’ny borigadin’ny zandary vao fantatra fa pôlisy mbola am-perinasa ity jiolahy namaky trano ity. Voalaza fa isan’ireo mpiambina akaiky ny minisitra ny Filaminam-bahoaka izy ary mpiambina ny Gastro Pizza eny Andoharanofotsy ihany koa. Mbola mitohy moa amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ataon’ny zandary satria araka ny efa voalaza tery ambony tetsy ambony, dia manodidina ny 15 teo ho eo ny isan’ireo jiolahy nanao ny fanafihana. Ny loharanom-baovao ihany no nahafantarana fa misy tale iray eo anivon’ny pôlisim-pirenena no mangataka ny tokony handraisan’izy ireo an-tanana ity raharaha ity. Mampametra-panontaniana ihany moa izany toe-javatra izany: “tsy mahatoky ny famotorana ataon’ny zandary ve ny pôlisim-pirenena sa misy ny zavatra ambadika tian’izy ireo ahatongavana?”

                                                                                                       F.Tsihiavonana

Lire aussi