La Gazette de la grande ile

Fanafihana teny Andoharanofotsy : Nidoboka eny Tsiafahy ilay pôlisy voasambotra ny zandary

Publié le 12 mars 2019

Tsy menatra ny mandainga amin’ny vahoaka ve ny Pôlisim-pirenena sa ny zandary sy ny fitsarana no tsy mahafehy ny asany? Nampidirina am-ponja vonjy maika any Tsiafahy, omaly, rehefa nakarina teo anivon’ny fampanoavana etsy Anosy ilay pôlisy nosamborin’ny zandary teny Bevalala, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy 7 marsa lasa teo. Tsiahivina fa raha ny fanazavana nentin’ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena dia tafiditra tao anatin’ireo andian-jiolahy nanafika tokantrano iray teny Andoharanofotsy, tamin’io alarobia alina io, ity pôlisy ity izay voalaza fa mpiambina akaiky ny minisitra ny Filaminam-bahoaka. Roa andro taorian’ny nitrangan’io raharaha io dia nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny tompon’andraikitra avy amin’ny Pôlisim-pirenena, ireto farany izay tsy nisalasala niaro an’io pôlisy voasambotra io ka nandiso ny fanazavana nentin’ny zandary. Raha ny fanazavana nentin’ny Pôlisim-pirenena dia tsy isan’ireo jiolahy nanao ny fanafihana mihitsy ity pôlisy ity satria tamin’ny 2 ora maraina izy no nirava tamin’ny asany, kanefa tamin’ny 11 ora alina teo ho eo no nitrangan’ilay fanafihana teny Andoharanofotsy. Nifanipaka ny voalazan’ny zandary sy ny pôlisy tamin’ity raharaha ity, kanefa tsy nampihemotra ny zandary tamin’ny fanadihadiana sy ny famotorana nataony izany. Omaly no niakatra fampanoavana tetsy Anosy ny raharaha ka avy hatrany dia nampidirina vonjy maika eny Tsiafahy ity pôlisy ity. Olona 4 izay voasaringotra tamin’ity fanafihana teny Andoharanofotsy ity ihany koa no nidoboka am-ponja niaraka taminy. Hatreto aloha dia mazava fa tsy mitombina velively ny fanazavana nentin’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena fa fiarovana be fahatany ny naman’izy ireo no nataon’ireto farany.

F.Tsihiavonana

Lire aussi