La Gazette de la grande ile

Fanenjehana ny mpanao ratsy : Tsy voakitikika mihitsy ireo mpitsara mpanao kolikoly

Publié le 18 mars 2019

Zavatra iray hita ho nisongadina tao anatin’izao fitondran’i Andry Rajoelina izao ny fanenjehana sy fampidirana am-ponja ireo mpanao ratsy eto amin’ny firenena, tafiditra ao anatin’izany ny mpanao kolikoly, mpanondrana harem-pirenena antsokosoko ary ireo mpitandro filaminana miray tendro amin’ny jiolahy. Te hampiseho ny fitondrana mijoro ankehitriny fa tsy misy intsony ny indrafo amin’ireo mpanao ratsy eto amin’ny firenena, na mpitondra fanjakana teo aloha izany na manamboninahitra ambony am-perinasa. Na efa maromaro aza ireo nampidirina am-ponja vonjimaika, tao anatin’izay roa volana nitondran’i Andry Rajoelina izay, dia mbola misy ireo voaantso eny amin’ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly anaovana fanadihadiana, ohatra amin’izany ny minisitra roa lahy teo aloha, Ulrich Andriantiana sy Lantoniaina Rasoloelison. Raha ny mikasika ireo tanin’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra namidy tamina olon-tsotra izay niteraka resabe tato ho ato, na koa ny famarotana ny Villa Elizabeth dia olona maro no efa nanaovana fanadihadiana ary misy mihitsy no nampidirina am-ponja vonjimaika. Manoloana izany trangan-javatra rehetra izany anefa, ny zavatra iray hita sy tsikaritra dia tsy misy mihitsy ny mpitsara voakitikitika amina resaka kolikoly na raharaha maloto hafa. Toa midika mantsy izany fa anjely daholo ireo mpitsara eo anivon’ny fitsarana eto amintsika ka tsy misy azo henjehina na iray aza. Marihana anefa fa raha ny tatitra ataon’ny Transparency International isan-taona dia anisan’ireo sehatra be kolikoly indrindra eto Madagasikara ny tontolon’ny fitsarana, aorianan’ny pôlisim-pirenena sy ny zandariamariam-pirenena. Tsy mila ampatsiahivina intsony angamba fa antony iray mampirongatra ny fitsaram-bahoaka eto amintsika ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana intsony. Maro ny mpanao ratsy eto amin’ny firenena no havotsotry ny mpitsara rehefa tonga eo anivon’ny fitsarana. Na ny olana amin’ny resaka fananan-tany maro izay miseho manerana ny Nosy aza dia betsaka no fantatra fa nisy kolikoly avo lenta teo anivon’ny fitsarana. Noho ny antony tsy fantatra anefa dia tsy sahy mikitika mpitsara mihitsy mihitsy ny Bianco na ny PAC (Pole Anti-Corruption).

F.Tsihiavonana

Lire aussi