La Gazette de la grande ile

Irmah Naharimamy : Tsy matotra ara-politika

Publié le 18 mars 2019

Amin’izao fitondrana faharoa amin’ny repoblika faha-4 izao dia tsy azo hiadian-kevitra fa mbola fanavaozana lehibe ny fomba fanaovana politika, na ho an’ireo ao anatin’ny fitondrana na ho an’ireo ety ivelany. Manaporofo izany ny zava-misy amin’izao fiatrehana ny fifidianana solombavam-bahoaka izao. Isan’ny nanaitra tamin’ny fametrahana ny atontan-taratasy filatsahan-kofidiana izay nikantona ny 12 marsa lasa teo ny mbola maha kandidà ho solombavam-bahoaka ny minisitry ny mponina sy ny fampiroborobona ny vehivavy, Irmah Lucien Naharimamy. Ity farany izay nirotsaka ao amin’ny distrikan’i Toamasina voalohany raha toa ka tao Mahanoro no naha lany depiote azy, tamin’ny taona 2013. Tsara ny mampatsiahy fa raha ny lalàna mifehy ny fifidianana solombavam-bahoaka, tsy maintsy mametra-pialàna avy hatrany ireo manam-pahefana ambony vao mivoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandidà azo fidiana izay havoakan’ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana, isan’izany ny mpikambana ao anatin’ny governemanta. Raha tsy misy ny fiovàna izany dia rahampitso faha-19 marsa no hametra-pialàna ramatoa Irmah Lucien Naharimamy, izay tsiahivina ihany fa efa nitàna ny toeran’ny minisitry ny mponina nanomboka tamin’ny volana jona 2018, tao anatin’ny governemantan’i Ntsay Christian voalohany. Ny fanontaniana mipetraka eto dia ny hoe: “inona no antony mbola naneken’i Irmah Naharimamy ho minisitry ny mponina sy ny fampiroborobona ny vehivavy raha toa ka efa mikàsa ny hirotsoka kandidà amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka ny tenany?” Tsy ampy roa volana akory mantsy dia tsy maintsy hiala eo amin’izany toerana izany ramatoa ka tsy afaka natao ve ny manetri-tena tsy niditra ao anatin’ny governemanta intsony. Izany trangan-javatra izany dia mampiseho fa mbola ny seza aloha hatreto no tena laharam-pamehana ho an’ireo mpanao politika malagasy ka na roa volana monja aza ny fe-potoana hipetrahana eo amin’izany toerana minisitra izany, dia efa zava-dehibe ka tsy azo lavina. Matoa nanaiky ho tendrena mpikambana ao anatin’ny governemanta ity depioten’i Mahanoro teo aloha ity dia midika fa vonona ny hanatanteraka ny programan’asan’ny filoham-pirenena ankehitriny, tsy inona izany fa ny IEM na ny “Iniative pour l’Emergence de Madagascar”.  Samihafa mihitsy manko ny andraikitra rehefa ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna. Ny zavatra hita aloha hatreto dia tsy mbola manana fahamatorana eo amin’ny fanaovana politika i Irmah Lucien Naharimamy ary mibaribary toy ny vay an-kandrina fa ny seza no lolohaviny an-tampon’ny loha. Mazava ho azy fa raha mbola lany ho solombavam-bahoaka ity minisitry ny mponina ity dia azo antoka fa hipetraka amina seza tsara eny Tsimbazaza, mandritra ny dimy taona manaraka. Efa mazava mantsy ny teny nataon’ny filoha Andry Rajoelina, tamin’ny fotoana nitsanganan’ny governemanta fa enim-bolana aloha ny fe-potoana omena ireo minisitra am-perinasa amin’izao fotoana izao. Mazava ho azy fa mety tsy mino ny mbola hijanonany ao anatin’ny governemanta ramatoa Irmah Naharimamy ka aleony miverina mihazakazaka eny Tsimbazaza

F.Tsihiavonana

Lire aussi