La Gazette de la grande ile

Vary mora : Telo volana tany anaty ranomasina

Publié le 18 mars 2019

Tonga ihany ilay vary mora nampanantenain’ingahy Andry Nirina Rajoelina. Voalaza fa omaly alahady faha 17 martsa 2019 no tonga tao amin’ny serana-tsambon’i Toamasina ity vary ity. Milanja 16 500 taonina izany vary izany ka ny olona tena sahirana no hivarotana azy. Dia mazava izany fa ny 4’MIS sy ny mponina eny La  Reunion Kely ary ny Ambanintanana sy ny foko any Androy sy ny any Atsimo Atsinanana izay voalaza fa tena voa mafy amin’ny fahantrana.

Tonga ihany ilay nandrasana ka ho hitantsika eo ny fomba ho fizarana izany. Ahatsiarovana ny vary mora namidy tamin’ny taona 2009 izay norobaina tao amin’ny seran-tsambon’i Toamasina izy ity. Varin’ingahy Ravalomanana Marc tamin’izany io natao vary mora io izay milanja 22 000 taonina. Misy ny filazana fa varin’ny Magro ary ao koa ny milaza fa varim-panjakana iny. Tsy fantatra izay nandehanan’ireny vola ireny ary very anjavony toa ny ron-gisa ireny raharaha ireny. Harem-pirenena izay mbola tokony hisy fanadihadiana lalina ireny toa ny raharaha “bois des roses” nisamborana an’i Eddy izao raha tena hiady amin’ny kolikoly ity firenena ity. Vola manapitrisa  maro no very tamin’ireny fotoana ireny.

Milaza ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa hisy menaka koa hamidy amin’ny vidiny mora ka andrasan’ny vahoaka avokoa izany.

Hatao mandava taona ity fivarotana vary sy menaka mora ity ka dia miandry izany ny vahoaka malagasy araka ny nampanatenana azy satria ny 92 % ny Malagasy dia efa mahantra avokoa ankehitriny.

J.B.

Lire aussi