La Gazette de la grande ile

Raharahan-keloka maro : Tsy maty manota i Voahangy Rajaonarimampianina?

Publié le 20 mars 2019

Tranga iray niteraka ady hevitra teo amin’ny mpanara-baovao maro ny vaovao navoakan’ny gazety sy haino aman-jery maro tato ho ato momba ny akon’ny fanadihadiana nataon’ny manam-pahefana ara-panjakana momba ny tohin’ilay raharaha “fanadinana fifaninanana nandraisana mpianatra ho mpitsara” ka nitrangan’ny fandoroana ireo taratasim-panadinana tamin’izany tao amin’ny efitrano iray efa nanagiazana azy ireo tao amîn’ny Sekoly Ambony Fanofanana ho mpitsara sy ho mpiraki-draharaham-pitsarana.

Omaly àry, nandritra ny fotoam-pitsarana manetriketrika ho fametrahana amin’ny toerany ireo lehiben’ny fampanoavana ao amin’ny Fitsarana Tampony izay sady lehiben’ny fampanoavana ao amin’ny Fitsarana Avo (Haute Cour de Justice) ihany koa dia naresaka teo anivon’ny mpitsara, teo amin’ny mpisolovava, teo amin’ny olo-manan-kaja sasany izay nasaina tamin’ity fotoam-pitsarana ity ny momba io raharaha teny amin’ny Sekoly Ambony Fanofanana ho Mpitsara sy ho Mpiraki-draharaham-pitsarana io.

Raha ny vaovao nivoaka aloha dia toa efa nampanantsoina sy nohainoana teny amin’ny Bianco ny tompon’andraikitra sasany teo anivon’io sekoly io sy ny avy any amin’ny ministeran’ny Fitsarana.
Ny ako naresaka omaly teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana teny Anosy dia manipika tamin’ny ankapobeny hoe “maro ny olona nanaovan’i Voahangy Rajaonarimampianina fanelanelanana miendrika fanerena sy fandrahonana mihitsy fa tsy maintsy nohafahana  tamin’iny fanadinana fifaninanana  niteraka resa-be iny, ka rehefa nandray fepetra ny tompon’andraiki-panjakana, nangeja ny taratasim-panadinana, dia noteren’i Voahangy Rajaonarimampianina ny olona tao anivon’ny Sekoly Ambony handoro ny tao amin’ilay efitrano nangiazana an’ireo antontan-taratasy”. Ny antony dia ho takalon’ny tsy ho fanafahana an’ireo olona efa nakany vola fa tsy maintsy ho afaka tamin’io fanadinanana fifaninanana io, ary mba hisakanana ihany koa an’izay tena mendrika mba samy tsy ho afaka.
Ny mahavariana ny mpanara-maso anefa dia hatramin’izao, tsy mba re hoe voarohirohy na nampanatsoina na efa nandefasana taratasy fiantsoana i Voahangy Rajaonarimampianina.
Sa hoe “vadin’ny filohampirenena teo aloha ka tsy maty manota?” Sa tsy misy sahy manonona mivantana eo anoloan’ny manam-pahefana ny anarany?

Tsy tokony hadinoina koa aloha fa maroloha ny raharahan-keloka nahenoana ny anarany, na ny fanondranana an-tsokosoko andramena na ny resaka fakana ankeriny na ny fanerena olona ho tsy maintsy manome vola azy (amin’ny alalan’olona irahiny) etsy sy eroa, na koa hatramin’ny fanelanelanana amin’ireo tontolon’ny fifanakalozana vola (transaction) any amin’ny rafi-panjakana toy ny Banky Foibe ka itakiany sandany amin’arivony tapitrisa, ny fanelanelanana sy baiko anerena ny tompon’andraikitra ho tsy maintsy manafaka ny olony amin’ny fifaninanana handraisana polisy na zandary na fanadinam-panjakana eny amin’ny fadin-tseranana (ladoany) na momba ny hetra na ny fananan-tany, sy ny maro tsy ho voatanisa e!

Manara-maso ny ho fananan’ny tompon’andraiki-panjakana sy manam-pahefana any amin’ny fitsarana fahasahiana handray fepetra amin’i Voahanagy Rajaonarimampianina ny maro, fa raha tsy mahavita an’izany dia hosokajiana ho mpiray tsikombakomba na mpiaro olona enjehin’ny fitsarana, sy ny sisa.

 

Lire aussi