La Gazette de la grande ile

Ravalomanana sy ny TIM : Mikendry mafy an’i Mahazoarivo

Publié le 15 avril 2019

Iray volana sy tapany eo sisa dia handatsa-bato hifidy ny solombavambahoaka vaovao ny Malagasy. Amin’izao telo herinandro mialohan’ny fisokafan’ny fampielezan-kevitra izao dia antoko politika roa ihany hatreto no hita ho vonona tanteraka amin’ny fiatrehana izany, dia ny IRD na ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina sy ny antoko Tiako i Madagasikara. Ny kandidà hatolitr’ireto farany no hita misongadina amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana manerana ny Nosy. Ho an’ny TIM manokana, dia efa mihetsiketsika mafy ny filoha mpanorina ny antoko Marc Ravalomanana izay resy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Izy tenany mihitsy no mitety faritra mampahafantatra ny mpifidy an’ireo kandidà hatolotry ny antoko ary manao fampielezan-kevitra. Mikendry mafy ny toeran’ny praiminisitra ingahy Marc Ravalomanana sy ny TIM ka manao mihezaka mafy ny ahazoana ny maro an’isa eo anivon’ny Antenimierampirenena. Mbola ny lalàmpanorenana lany tamin’ny taona 2010 mantsy no hitondrana ny firenena amin’izao fotoana ka araka ny andininy faha-54 dia izay antoko na vondrona politika manana ny maro an’isa eo anivon’io andri-panjakana mpanao lalàna io no manolotra ny anaran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. Azo ambara fa manofy atoandro ihany anefa i Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy raha mieritreritra ny hahazo ny maro an’isa eny Tsimbazaza. Raha ny voka-pifidianana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo no jerena, faritra 8 amin’ny 22 misy eto Madagasikara no nandresen’i Marc Ravalomanana, ny ambiny kosa dia nandresen’i Andry Rajoelina avokoa. Azo inoana fa tsy hanalavitra an’izay vokatra nisy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena izay ny vokatra hivoaka amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Ny antoko lehibe mpifaninana mivantana aminy rahateo efa eo amin’ny fitondrana ka manana tombony lehibe. Tsy azo hamaivanina ihany koa anefa ireo kandidà tsy miankina izay tsiahivina ihany fa efa maherin’ny 500 isa raha 800 mahery ny isan’ireo kandidà nilatsaka ho fidiana manerana ny Nosy.

F.Tsihiavonana

Lire aussi