La Gazette de la grande ile

Ambohimangakely : Jiolahy 2 saika hanafika fiaran’ny Brinks lavon’ny zandary

Publié le 15 avril 2019

Nirefodrefotra ny poa-basy teny By Pass eny amin’iny faritra Ambohimangakely iny, ny sabotsy tolakandro teo. Jiolahy miisa 5dimy, saika hanafika ny fiara mpitondra vola an’ny orinasa Brinks no nifampitifitra tamin’ny zandary ka lavo tamin’izany ny jiolahy roa raha tafatsoaka kosa ny telo ambiny. Fiara Brinks hanatitra vola ao amin’ny toerana fitsinjarana vola eny amin’ny “gare routière” Ambohimanambola moa no saika notafihan’ireo jiolahy, saingy tsikaritra ireo zandary niambina ny tobin-tsolika Jovenna eny Ambohimangakely. Teo no raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ka maty voatifitra teo no ho eo ny roa tamin’ireo jiolahy raha vaky nandositra nifanenjehan’ireo zandary kosa ny naman’izy ireo, saingy tsy tratra raha ny fantatra. Marihana fa môtô scooter no nentin’ireo olon-dratsy tamin’izao fikasàna hanao fanafihana izao. Maro moa ny fanafihana mitam-piadiana teto Antantananarivo fa sambany kosa vao nisy fikasàna hanafika ireny fiara mpitondra vola Brinks ireny. Tsara ihany koa manamarika fa misy olona mitam-basy ary efa voaofana sy voafantina manokana ao anatin’ireny fiara Brinks ireny mba afahana miatrika ny fanafihana tahaka ity nokasain’ny jiolahy natao teny Ambohimanambola ity.

F.Tsihiavonana

Lire aussi