La Gazette de la grande ile

Antenimierampirenena vaovao : Ho mpanara-drenirano sa tena hijery ny tombotsoam-bahoaka ?

Publié le 13 mai 2019

Mety hanao ahoana ny endrika ny Antenimierampirenena vaovao hijoro eto amin’ny firenena ? Solombavambahoaka mpanara-drenirano fotsiny ve no hiasa eny Tsimbazaza sa solombavambahoaka tena hikatsaka ny tombotsoan’ny Malagasy mahantra fahadiranovana ? Samy miandry moa ankehitriny ny mpanara-baovao satria miankina amin’ny latsa-bato hataon’ny mpifidy ihany no hahafantarana izany. Raha ny tombantombana ataon’ireo mpandinika sy mpamakafaka ny raharaham-pirenena, indrindra fa ny raharaha pôlitika, dia mety ho maro an’isa eo anivon’ny Antenimierampirenena vaovao hijoro eo ny solombavambahoaka nirotsaka amin’ny anaran’ny IRD, vovonana miaraka amin’ny filoham-pirenena am-perinasa. Hiady ny laharana faharoa eo amin’izay fahamaroan’ny isan’ny depiote izay kosa ny tsy miankina sy ny TIM K25 an’ingahy Marc Ravalomanana. Raha izay tombantombana izay no raisina, azo inoana fa mety ny telo ampahefan’ireo depiote vaovao hiasa eny Tsimbazaza no avy amin’ny IRD sy ny tsy miankina. Mazava ho azy fa ireo ho lany amin’ny anaran’ny IRD dia tsy maintsy hanara-drenirano ny fitondrana mijoro ankehitriny, fa hanao ahoana kosa ny fihetsik’ireo tsy miankina? Raha toa mantsy ka hanohana sy hanasoaso ny mpitondra ireo depiote tsy miankina ho lany eo, tahaka izay nisy tao anatin’ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina, dia azo antoka fa Antenimierampirenena mpanara-drenirano fotsiny no hijoro eto Madagasikara. Ireo depiote TIM no inoana fa hitsangana ho mpanohitra ny fitondrana, saingy raha vitsy an’isa izy ireo dia tsy afaka hisakana ny volavolan-dalàna halefa eny amin’ny Antenimierampirenena ho lanian’ireo depiote. Tsiahivina ihany fa anisan’ny nanakianana ireo depiote tamin’ny andron’i Hery Rajaonarimampianina ny fanarahana bontolo ny sitrapon’ny fitondrana. Fomba fiteny mihitsy aza tamin’izany fotoana izany ny hoe “passoire” ny Antenimierampirenena satria ny volavolan-dalàna rehetra nalefan’ny governemanta ho lanian’ireo solombavamhoaka dia lany avokoa. Tsy fahita manerana izao tontolo izao aza no niseho teny Tsimbazaza, tamin’izany fotoana, satria volavolan-dalàna am-polony no lany tsy nasiam-panitsiana tao anatin’ny ora vitsy monja. Na ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana aza moa dia zara raha hanaovana ady hevitra fa lany ao anatin’ny andro vitsy. Ahiana ho tahaka izay ihany koa anefa ny Antenimierampirenena hijoro manaraka eo satria hatreto aloha dia hita sy tsikaritra fa tsy mbola miova ny fomba fanaovana pôlitika eto amin’ny firenena fa ny omaly tsy miova ihany.

F.Tsihiavonana

Lire aussi