La Gazette de la grande ile

Tsy fandriam-pahalemana : Iza no tompon’andraikitra?

Publié le 13 mai 2019

Ohatran’ny manana endrika fireharehana ny filazan’ny minisitra ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Jean Richard Rakotonirina, ny amin’ny hoe “tao anatin’ny roa volana dia fitaovam-piadiana miisa 112 no tratra no nogiazan’ny mpitondra fanjakana”. Tao anatin’izany koa no nanipihany fa “omby voaroba miisa 267 no tafaverina ary 24 koa ireo nalaina an-keriny no votsotra”. Izany hoe vokatra ny asan’ny mpitandro ny filaminana izany, raha ny nambarany.

Raha ny tontolon’ny tsy fandriam-pahalemana misy eto no asian-teny dia tsy hilaza isika hoe “fahombiazana izany na tsy fahombiazana”, fa azo ambara hoe “nisy aloha ny vokatry ny asa nataon’izy ireo”.
Sarotra kosa aloha ny hilaza hoe “tsy nisy na inona na inona vita mihitsy e!” Na bainga iray aza no voavadiky ny mpiasa tany nandritra ny tapakandro, ohatra, dia porofon’ny asa vitany ny bainga iray voavadiny.

Fa raha iverenantsika ity tontolon’ny tsy fandriam-pahalemana ity dia nanamarika ny minisitra ny Fiarovam-pirenena Rakotonirina Richard, fa “nihena be ny tsy fandriam-pahalemana, ary vao mainka hihatsara izany satria nohatevenina ny mpitandro ny filaminana nalefa any amin’ireo faritra ambanivohitra tena nahitana asan-dahalo nahamay, izay antsoin-dry zareo hoe “zones rurales prioritaires de sécurité”.

Amin’ny maso tsy miangatra aloha no ilazana hoe “ka inona moa no andrasan’ny vahoaka amin’ny mpitondra fanjakana fa tsy ny hiainany ao anatin’ny fitoniana sy hanjakan’ny fahalemana eo anivon’ny fiaraha-monina misy azy?” Mba miatrika amim-pahavitrihana tsy ao anatin’ny fitaintainany ny asany andavanadrony sy eo ampamitana ny adidiny amin’ny fiaraha-monina ny tsirairay.

Ny tsy azo lalovam-potsiny koa anefa, izay toa tsy voalazan’Ingahy minisitra ny Fiarovam-pirenena dia ny hoe “firy ireo olon-dratsy nitana an’ireny fitaovam-piadiana ireny no mba voatana?” Ankaotra izay, iza avy no nitsikombakomba tamin’izy ireny ka nahazoan-dry zalahy an’ireny fitaovam-piadiana ireny?  Tokony ho fantatra ny ambanilanitra ny fiavian’ireny fitaovam-piadiana ireny hoe nafarana avy any ampita ve sa nisy olona nampiditra fitaovam-piadiana an-tsokosoko teto ka namidiny tamin’ny dahalo, sa sanatriavin’ny vava marina ny hoe ny mpitandro ny filaminana  no namatsy fitaovam-piadiana an-dry zalahy ireny? Mety ho valim-panontaniana ve ny hoe “vokatry ny fandrobana ny tobin’ny mpitandro ny filaminana no nahazoan’ny dahalo an’ireny fitaovana ireny? Mbola mety ho valim-panontaniana koa ve ny hoe tamin’ireo hetsika pôlitika niteraka savorovoro ara-piaraha-monina teto (1972-1991-2002-2009…°) dia nisy ny fizarazaran’ny mpitandro ny filaminana ka nisy ny nanararaotra namoaka fitaovam-piadiana tany amin’ny toby tamin’ireny ka tsy voaverina ara-potoana tany amin’ny toby, ary ny sasany dia lasa any ampelan-tana’ny olon-dratsy sy ny dahalo? Sa hanadio tena ny mpitondra fanjakana fa tsy misy dahalo ambony latabatra mpamatsy fitaovam-piadiana an’ireny olon-dratsy ireny ao anatin’ny rafitra ara-panjakana ao?

Raha ny marina aloha, aoka hiaiky isika fa mbola vitsy ihany ireo fitaovam-piadiana toy ny basy nambaran’ny minisitra ny Fiarovam-pirenena fa tratra ka nogiazan’ny tompon’andraikitra ireo.

Ny mpitandro ny filaminana koa dia misy ny minia manao sinema. Ohatra, andro vitsy lasa izay dia nisy mpanendaka voatifitra ny pôlisy teny amin’ny 67 Ha ka hita teo anilany ny antsy lavalela nambara hoe fampiasan’io olon-dratsy io. Afak’omaly koa dia nisy jiolahy tratra ka voatifitra koa teny Anatihazo Isotry teny, ary mbola ilay antsy lavalela teo anilan’ny teny amin’ny 67 Ha ihany no teo akaikin’ilay voatifitra tetsy Anatihazo Isotry. Dia tsy sarimihetsika ve ny tranga toa izany sa nisy “opération” famatsiana antsy lavalela ny mpanendaka koa tany ho any?

Ny tian-kambara dia tsotra. Ekena ary ankasitrahana ny ezaka ataon’ny tompon’andraikitra amin’ny famerenana ny fandriam-pahalemana. Aoka koa anefa hiaiky ny rehetra fa ho zava-poana ihany ny ezaka atao, ary handalo ihany koa, raha tsy ny dahalo ambony latabatra mihitsy no voahenjika sy vongorina e!

Tany amin’ny taona 1989 tany no niezahan’i Monja Jaona niditra tamin’ny famongorana ny dahalo ambony latabatra, saingy na ny teo anivon’ny fitondrana tamin’izany na ireo niseho ho mpanohitra ny fitondrana dia samy tsy nankasitraka an’izany tarigetra izany tany amparahatony tany avy, ka very momoka ilay ezaka rehefa tsy nanana fahefana intsony ry Monja Jaona.

Ralay

Lire aussi