La Gazette de la grande ile

Maroroho -Tsimbazaza : Fahafatesana teratany Egyptianina roa mampiahiahy

Publié le 13 mai 2019

Trangam-piaraha-monina somary hafakely no niseho teny amin’ny fokontany Maroroho, manakaiky an’i Tsimbazaza. Ny 30 aprily lasa teo no nitrangan’ny tantara, saingy omaly kosa vao navoakan’ny pôlisim-pirenena ny vaovao. Lehilahy iray sy zazakely vao 2 taona monja izay samy teratany Egyptianina no hita faty tao an-tranony, tamin’io andron’ny 30 aprily io. Ny pôlisy avy amin’ny BC etsy Anosy no tonga teny an-toerana nanao ny fizahàna, ary nanampy azy ireo tamin’izany ny teknisianina avy ao amin’ny pôlisy siantifika. Tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny ary teo ambonin’ny “canapé” no nahitàna ny vatana mangatsiakan’ireto Egyptianina roa ireto. Nahitàna “biberon” iray  mbola nisy ronono teo akaikin’ireo razana, ary mbola nisy setroka tao an-trano tamin’ny fotoana nahatongavan’ny pôlisy satria nampiasa “cheminée” izy ireo, ny alin’ny 29 aprily. Ny somary mampiavaka ity trangam-piaraha-monina iray ity raha ampitahaina amin’ireo efa matetika miseho eto amintsika, dia tsy fantatra mihitsy ny antony tena nahafaty an’ireo mpianaka Egyptianina roa ireo. Marihana fa tsy nisy ratra na dia kely aza tamin’ny vatan’ireo vahiny ireo. Efa nisy moa ny olona nalain’ny pôlisy am-bavany, efa nalefa any amin’ny “Service des fraudes alimentaires” ihany koa ilay “biberon” hita teo akaikin’ireo razana mba hanaovana fitiliana sao misy poizina ny ronono tao anatiny. Nangataka ny hanaovana “autopsie” an’ireo razana ihany koa ny eo anivon’ny Borigady misahana ny heloka Bevava (BC) mba hahafantarana ny tena antony marina nahafaty azy ireo. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka moa ny pôlisy, amin’izao fotoana izao.

                                                                                              F.Tsihiavonana

Lire aussi