La Gazette de la grande ile

Antenimierampirenena : Mitady ny maro an’isa mafy ny TIM hisakanana ny IEM

Publié le 16 mai 2019

Mazava ankehitriny ny eritreritr’ingahy Marc Ravalomanana sy ny antoko TIM amin’izao fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka izao. Raha mahazo ny maro an’isa izy ireo ao amin’ny Antenimierampirenena dia hanao izay hampikatso ny programan’asan’ny fitondrana mijoro ankehitriny, tsy inona izany fa ny IEM. Tato anatin’ny andro vitsy izay dia io hatrany ny ventiventesin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana rehefa mitety faritra sy manao fampielezan-kevitra ho an’ireo kandidà natolotra ny antokony. Mazava ho azy fa raha mahazo ny maro an’isa eny Tsimbazaza ny TIM K25, dia ho sarotra ho an’i Andry Rajoelina ny hanatanteraka ny vinany satria tsy ho lany eo anivon’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna rehetra haroson’ny governemanta. Midika ve izany fa efa mijoro ho mpanohitra ny TIM, mandrak’ity mantsy ny androany tsy mbola nanambara tamin’ny fomba ofsisialy izy ireo fa manohitra ny fitondrana mijoro ankehitriny. Raha ny lôjika pôlitika tokoa, vao tsy lany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena i Marc Ravalomanana dia tokony nanambara avy hatrany fa mitsangana ho mpanohitra eto amin’ny firenena, saingy tsy izay ny zava-nisy fa ramatoa Lalatiana Ravololomanana izay sady tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana no tsy manana solombavambahoaka no nanao fanambarana ampahibemaso fa manohitra ny fitondran’i Andry Rajoelina. Mazava ankehitriny fa mieritreritra ny haka ny toeran’ny lehiben’ny fanoherana eo anivon’ny Antenimierampirenena i Marc Ravalomanana sy forongony na tsy hahazo ny maro an’isa aza.

                                                                                                F.Tsihiavonana

Lire aussi