La Gazette de la grande ile

Fiainam-pirenena : Mahazo laka ny ady hevitra mirefarefa amin’ny tany

Publié le 11 juin 2019

Maro amin’ireo mpandinika sy mpamakafaka ny raharaham-pirenena no mahita sy mahatsapa fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny ady hevitra eto Madagasikara, antony iray tsy mety mahatafavoaka ny firenena ao anatin’izao fahantrana lalina izao. Na mandeha aza ny ady hevitra eo amin’ny samy olom-pirenena, any anaty tambazotran-tserasera sosialy sy eny anivon’ny fiaraha-monina eny, dia hita fa mivaona tsy araka ny tokony izy na mirefarefa amin’ny tany ny ady hevitra ataon’ny sasany. Na inona na inona ambara, tsy azo iadian-kevitra fa anisan’ny vaovao lehibe andrasan’ny ankamaroan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na ny CAN 2019, izay ho tanterahina any Egypta ny 21 jona ka hatramin’ny 19 jiolay izao. Sambany mantsy amin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika ity no handray anjara amin’ny fifaninanana ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barea. Tsara marihana fa na aiza na aiza manerana izao tontolo izao, dia ny resaka fanatanjahan-tena no mahaliana ny olona kokoa noho ny resaka pôlitika sy ny zavatra hafa. Tsikaritra anefa ankehitriny fa lasa tafiditra ny resaka pôlitika ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika ity, ary ny tena mahasorena dia lasa ady hevitra mirefarefa amin’ny tany no ataon’ireo olona sasany izay tsy mankasitraka ny fitondrana mijoro ankehitriny, indrindra fa ireo mpomba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tena nanaitra tokoa mantsy ny fahitàna fa maro amin’ireo mpomba an’ity filoha teo aloha ity no manakiana mafy ny fanampiana 700.000.000 Ariary nomen’ny fitondram-panjakana ny ekim-pirenena malagasy amin’ny fiatrehana ny CAN 2019. Ho an’ireo mpomba an-dRavalomanana dia tsy misy antony tokony nanomezana an’io fanampiana io ho an’ny Barea fa tokony nozaraina amin’ny olona sahirana na hananganana fotodrafitrasa. Na olona manana ny mari-pahaizana CEPE aza anefa dia mahafantatra fa ady hevitra mirefarefa amin’ny tany izany ataon’ny mpomba an-dRavalomanana izany. Matetika manko rehefa misy ny fifaninanana iraisam-pirenena lehibe amin’ny taranja baolina kitra tahaka izao, dia ifaninan’ireo firenena voasolo tena mihitsy ny manome fanampiana ara-bola be indrindra ny ekipam-pireneny. Iny mantsy manaporofo fa tsy ataon’ilay firenena ambanin-javatra ny fanatanjahan-tena ao aminy, indrindra fa ny baolika kitra izay mbola azo ambara hatreto fa taranja be mpankafy indrindra, na eto Madagasikara na eran’zao tontolo izao. Samy mahazo fanampiana amin’ny fanjakana ao aminy avokoa ireo ekipam-pirenena rehetra handray anjara amin’io CAN 2019 io, saingy eto amintsika irery angamba no misy tsy mankasitraka izany noho ny resaka pôlitika. Tsara anefa ny manamarika fa na inona na inona taranja ka misy solontena Malagasy handeha hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena any ampitan-dranomasina, dia tsy maintsy manolotra fanampiana foana ny fanjakana. Tsy mitovy anefa ny teti-bola ilain’ny taranja tsirairay satria raha tsy mihoatra ny 200 tapitrisa Ariary ohatra ny vola ilain’ny Makis de Madagascar na ny ekipam-pirenena malagasy eo amin’ny taranja Rugby raha hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika any ivelany, dia be lavitra noho izany no ilain’ny Barea de Madagascar amin’ny fiatrehana ny CAN 2019, maherin’ny 5 miliara Ariary araka ny fanazavana nomen’ireo mpitantana vonjy maika ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra. Tsy vitan’izay ihany fa ny toerana nanoloran’ny filoham-pirenena izay fanampiana ho an’ny ekipam-pirenena malagasy izay aza, teny amin’ny Akamasoa an’i Père Pedro, dia efa tsy ankasitrahan’ireo mpomba an-dRavalomanana. Inoana fa maro amin’ireo Malagasy tsy mankasitraka ny fitondrana mijoro ankehitriny aza no maniry mafy ny tsy hahazoan’ny Barea vokatra tsara amin’io CAN ho tanterahina any Egypta io. Ny mety ho fahazoan’ny ekipam-pirenena malagasy vokatra tsara mantsy amin’izy ireo dia midika ho fahombiazan’ny filoha Andry Rajoelina.

F.Tsihiavonana

Lire aussi