La Gazette de la grande ile

CAN 2019 : 10 tapitrisa Ar raha hijery ny lalaon’ny Barea any Egypta

Publié le 12 juin 2019

Efa sasa-miandry ny fanombohan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na ny CAN 2019 ny ankamaroan’ny Malagasy, ankehitriny. Andiany faha-32 ity CAN ho tanterahina any Egypta ity, saingy mihavaka io ho an’ny Malagasy satria sambany teo amin’ny tantara no handray anjara amin’ny fifaninanana i Madagasikara. Marihana fa ankaotra ny maha hetsika ara-panatajahantena lehibe ny CAN na ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo amin’ny baolina kitra, dia misy akony ara-toekarena ho an’ilay firenena mpampiantrano ny fifaninanana satria ho maro ny mpizahan-tany ho tonga any an-toerana, hijery mivantana ny lalao ataon’ny firenena hiaviany. Mety maro amin’ny Malagasy eto Madagasikara no maniry ny hijery mivantana eny an-kianja ny lalaon’ny ekipam-pirenena malagasy, saingy sarangan’olona vitsy ihany no manana fahefana hanao izany fa tsy ny sarambabem-bahoaka. Tsara ny manamarika fa amin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika indray mitoraka ity, dia misy amin’ireo masoivoho mpikarakara fivahinianana any ivelany vitsivitsy eto amintsika no manao tolotra manokana ho an’ireo Malagasy maniry ny ho any Egypta sy hijery ny lalaon’ny Barea. Nisy ny fanadihadiana natao tamin’ny iray amin’ireo masoivoho ireo ka tamin’izany no nahafantarana fa 10 tapitrisa Ariary farafahakeliny no saran’izany ho an’ny olona iray. Tafiditra ao anatin’izay 10 tapitrisa Ariary izay ny vidin’ny tapakilan’ny fiaramanidina mandroso sy miverina, ny saran’ny hotely mandritra ny tapa-bolana ao amin’ny tanànan’i Alexandrie izay misy ny kianja hilalaovan’ny Barea ny lalao 3 ao anatin’ny fifanitsanana, ny sakafo rehetra mandritra ny fivahinianana ary ny vidin’ny tapakila hijerena ny lalao eny an-kianja. Araka ny efa voalaza tery ambony dia farafahakeliny indrindra io 10 tapitrisa Ariary io satria mbola miampy ny vola aloa raha toa ka hitsidika toerana manana ny maha izy azy sy manan-tantara ao Alexandria sy ao Le Caire renivohatr’i Egypta. Fivahinianana mandritra ny tapa-bolana fotsiny ihany koa ny 10 tapitrisa Ariary satria raha tafakatra amin’ny lalao am-pahefa-dalana na ny manasa-dalana ny ekipam-pirenena malagasy dia mbola mitombo ny andro hijanonana any an-toerana raha mbola maniry ny hijery ireo lalao ireo. Mazava ho azy tsy ny sarambabem-bahoaka no afaka mankany Egypta mijery mivantana ny lalaon’ny Barea. Marihana fa efa mpandefa mpizahan-tany any Israel nandritra ny taona maromaro ireto masoivoho manolotra tolotra manokana any Egypta ireto.

F.Tsihiavonana

Lire aussi