La Gazette de la grande ile

Tsy fampiasana ny teny malagasy : Ny fitondram-panjakana no tokony ho voasazy voalohany

Publié le 13 juin 2019

Ny volana jona eto Madagasikara dia volana natokana ho an’ny teny Malagasy, ankoatra ny maha-volan’ny ankizy azy. Tany amin’ny taona 1993 tany dia roa andro no natokan’ny fanjakana hanomezana lanja ny teny Malagasy, taorian’ny fitakian’ny Fimpamama na ny “Fikambanan’ny Mpandala ny Maha-Malagasy”. Taty aoriana dia io fikambanana Fimpamama io ihany no nitaky mba hifaritana ho volan’ny teny Malagasy ny volana jona fa tsy ampy ny roa andro. Dia nanapa-kevitra ny fitondram-panjakana ka noraisina sy nofaritana ho volan’ny teny Malagasy ny volana jona.

Mbola ny lalampanorenan’ny Repoblika fahatelo tany amin’ny 1992 tany koa no nanipika fa “ny teny Malagasy no tenim-pirenena manerana ny tanin’ny Repoblika”. Novan’ny sasany moa izany tatyay aoriana ka lasa hoe “ny teny Malagasy sy ny teny frantsay no teny ofisialy…”

Tany amin’ny taona 1991 tany koa dia nanomboka nahazo vahana teto Madagasikara ny fampahafantarana fa ny ankamaroan’ny olo-nalaza sy manam-pahaizana teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia saika nobeazina sy nampianarina tamin’ny tenin-dreniny avokoa. Nisy mihitsy moa ny fitanisana an’ireo olo-malaza sy manam-pahaizana maro ireo tamin’izany.

Ny tanjona tamin’izany moa dia ny hahatsapan’ny sokajin’olona sasany teto Madagasikara, indrindra fa ny mpanapa-kevitra, fa ny fahombiazana avy amin’ny fampiasana ny tenin-dreny na teny ibeazana eo amin’ny fiainana andavanandro, ary ao anatin’izany ny teny enti-mampianatra, dia azo antoka noho ny fifotorana amin’ny teny vahiny, indrindra raha atao anjambany izany.

Mbola nahery vaika moa ny tsindry sy ny fandrangarangana ny endri-pampihorohoroana amin’ny fomba maro sy ny fanangolena isan-karazany avy any ivelany sy ireo bolokim-bazaha teto ka arakaraka ny niezahan’ny mpandala ny maha-malagasy sy ny avara-pahendrena isany teto ny nanandratra ny lanjan’ny tenin-dreny no toa vao mainka koa nampidy vazana ny bolokim-bazaha sy ny marivo salosana nampiharana ny jadona teto ka nampidirana hatrany fa ny teny frantsay no teny ofisialy…

Amin’izao fotoana àry dia miezaka hatrany ny Akademiam-pirenena manao ny fomba rehetra hampanjakana ny teny Malagasy eto Madagasikara sy hanomezana hasina azy io, ka voambara, ohatra, fa “tsy maintsy mampiasa ny teny Malagasy ny olom-pirenena Malagasy eto Madagasikara”. Teo koa ny hoe hiezaka hamorona voambolana malagasy zato (100) isanandro ny Akademiam-pirenena mba hampanjary izany.

Tarigetra avo lenta ary mendri-piderana ny nirosoan’ny Akademiam-pirenena ary ny antenaina sy irariana dia mba tsy handalo fotsiny na hanidina fotsiny izany fepetra izany fa hampiharina tokoa.

Marihina tsara fa maro amin’ny Malagasy no maniry mba ho ny teny malagasy no ifandraisana sy ifaneraserana ary ampiasaina amin’ny raharaha andavanandro rehetra eto. Ny famolahana ny teny vahiny dia azo atao amin’ny fomba maro koa fa ny foto-kevitra tsy azo hamaivanina aloha dia ny fahatsapan’ny maro, mba tsy hitenenana hoe “ny rehetra”, fa fanoitran’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fampivelarana ny maha-olona ary ny fampivoarana ny fari-piainan’ny vahoaka ny fampiasana ny tenin-dreny amin’ny andavanandro.

Ny mampalahelo amin’ity resaka ity dia ny fitondram-panjakana sy ny rafitra ara-panjakana no lohalaharana mamotika ny teny Malagasy eto amintsika. Ireo antontan-taratasy rehetra ifandraisana eo amin’ny tontolon’ny raharaham-panjakana, hatreny amin’ny fitsarana, dia amin’ny fiteny frantsay avokoa. Ry zareo mpitondra fanjakana moa dia toa mihevi-tena ho tsy manam-pahefana na tsy olona ambony ry zareo raha tsy mampiasa teny “vary amin’akotry”, ary ny sasany aza dia tsy mampiasa afa-tsy “teny vahiny

rano iray”.

Noho izany, raha misy ny sokajin’oloona tena mamono ny teny Malagasy eto amintsika dia ny manam-pahefana ara-panjakana sy ny manam-pahefana ara-bola, ka raha misy ny tokony hosaziana dia ireo no voalohan-daharana.

Ralay

 

Lire aussi