La Gazette de la grande ile

Inty sy nday : Ny maha-malagasy ihany e !

Publié le 15 juin 2019

Ao anatin’ny fotoana anatontosana an’ilay Tsenabe Iraisampirenena momba ny Fizahan-tany (Salon international du tourisme) isika eto Madagasikara izao. Nanomboka ny alakamisy teo ary hifarana rahampitso alahady izy io, ka eny amin’ilay Ivon-toerana fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato no anatanterahana azy io.

Raha miohatra amin’ny Nosy maro maneran-tany dia isan’ny mbola tratra aoriana i Madagasikara eo amin’ny fisarihana vahiny mpizahatany. Mbola manodidina ny 300.000 isan-taona monja ny mpizahatany avy any ivelany tonga eto isan-taona. Ny atsy amin’ny Nosy Maorisy tsy lavitra antsika anefa dia efa mananika ny 1.500.000  isa-taona ny mpizahatany vahiny tonga ao. Ny Nosy Maorisy anefa tena kely velarana raha miohatra amin’i Madagasikara. Ary ny tontolo voajanahary ahitana zava-maniry tsy fahita afa-tsy eto amintsika sy ny biby amam-borona tsy misy afa-tsy eto Madagasikara dia manam-be isika.

Isan’ny singa mahasarika ny mpizahatany ho avy eto aloha ireo, saingy manitikitika ny saina ny hoe “nahoana no zara raha misy 300.000 isa-taona ny mpizaha tany tonga eto?”

Ekena aloha fa vato misakana ny mpizahatany avy any ivelany tsy hanana faharisihana ho avy eo ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana, saingy aoka koa isika hanaiky fa tsy manana pôlitikam-pirenena matotra momba izany fizahantany izany mihitsy isika hatramin’izao.
Tany ambadika ny 10 taona lasa tany dia mba nanana ny lazany tany ampita tany ilay horonan-tsarimihetsika “Madagascar” izay ahitana an’ireo karazana zava-boahary tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara, ary nanintona olona maro, saingy nahoana no tsy resy lahatra ka tsy tonga ry zareo? Tsy mbola havanana amin’ny fisarihana ve isika?
Mitaky famaritana pôlitikam-pirenena matotra amin’ny tontolo ara-pizahan-tany io lafin-draharaha iray io raha tiantsika ny hivelarany sy hiroboroboany haingana.

Etsy ankilany, tokony hifototra amin’ny maha-malagasy ny akora hisarihantsika ny vahiny fa raha zavatra efa hitany amin’ny misy azy na any amin’ny toerana hafa efa nandehanany dia tsy hahaliana azy i Madagasikara.
Na ireny lalan-tany tsy mbola voarakotra tara any ambanivohitra ireny aza dia efa singa mahasarika vahiny ireny fa tokony amboarina mba tsy hitera-pahasahiranana ho an’ny vahiny. Tsy fahitan’ny vahiny avy any amin’ny tany efa mandroso loatra ireny.

Tokony misy tetik’asam-panjakana avelatra eny amoron’ny lalampirenena mampiseho ny zavatra mampiavaka an’i Madagasikara isaka ny faritra. Mitaky fandraisana anjaran’ny fanjakana koa ny fiahiana sy fanohanana ary fanampiana an’ireo mpanao asa tanana mba tsy ho kivy izy ireo amin’ny tsy fandehanan’ny vokatry ny asa tanana vitany, ary omen’ny fanjakana sehatra ireny mpanao asa tanana ireny amin’ny fitrandrahana ny akora takian’ny talentany, na hazo na rofia na vy sy ny sisa.

Misy toromarika tokony ataon’ny fanjakana koa mba hitanan’ny mponina ny tao-trano araka ny endriny nampiavaka ny Malagasy (architecture), na an-tana-dehibe na ambanivohitra. Harena be ho antsika ary antoka hisarihantsika ny mpizahatany izany. Ny ao anatiny, azo atao hary fomba tsara na dia mbola tokony ahitana seza baolina vita amin’ny rofia sy ny fanaka vita amin’ny hazo sarobidy Malagasy toy ny voamboana, ny lambanana sy ny kojakoja ampirantiana amin’ny tsihy sy ny vokatra ny rary, sy ny sisa e!

Ankoatra izany, mila mametraka pôlitikam-pirenena manokana koa ny fanjakana mba hanentanana sy hampirisihana ny teratany Malagasy hivoaka ny faritra misy azy ka hankamamy ny hakanton’i Madagasikara.

RAlay

Lire aussi