La Gazette de la grande ile

Inty sy nday : Ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra

Publié le 24 juin 2019

Azo ambara fa efa ao anatin’ny fanamarihana sy fankalazana ny fetim-pirenena ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana. Toy ny mpitondra rehetra nifandimby teto ihany e! Rehefa higadona ny faha-26 Jona dia mihetsiketsika, ary miezaka manao izay hamalifaliana ny vahoaka.

Marihina aloha fa aminay dia “fetim-pirenena” no ankalazaina rehefa 26 Jona fa “tsy fetin’ny fahaleovan-tena”. Ny antony dia aoka hazava fa tsy mbola mahaleotena isika ary ambony taratasy fotsiny ny hoe “Madagasikara mahaleo tena” nandritra izay 59 taona izay. Noho izany, tsy mbola ny tontolom-piaraha-monina Malagasy niainana nandritra izay 59 taona izay no ahitana taratra na milaza fa “mahaleo tena ny firenentsika”. Izay no mahatonga anay hilaza hoe “fetim-pirenena”, toy ny fankalazana ny 14 Oktobra tamin’ny Repoblika voalohany, izay “Fetin’ny Repoblika”, na ny 15 jona tamin’ny Repoblika faharoa izay tsingerin-taona fahatsiarovana ny Revolisiona Sosialista teto na ny 30 desambra izay fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan’ny Repoblika faharoa. Fetim-pirenena avokoa ireny. Azo ambara ho fetim-pirenena koa ny hetsika ataon’ny firenena Malagasy mandritra ny fandraisany ny lalaon’ny Nosy teto na ny lalaon’ny frankôfônia teto.

Etsy ankilan’izany rehetra izany, mba mahavariana ihany fa ny lanonana no zava-dehibe ho an’ny mpitondra fanjakana nifandimby teto rehefa tonga ny fetim-pirenena 26 Jona. Tena hita sy fantatra mihitsy fa havanana sy kinga aoka izany ny mpitondra misehoseho sy mizahozaho ho manao zavatra, ho “mitsinjo ny vahoaka” rehefa tonga ny fotoana toy ny ankehitriny, mikarakara hetsika isan-tokony, na rindran-kira maimaim-poana ho an’ny vahoaka mandritra ny andro maromaro, ny fampirantiana ny tanàna sy ny sisa. Misy ny fizarana bodofotsy ho an’ny zokiolona sahirana satria koa ririnina ny andro ka araraotina ny fetim-pirenena hanaovana izany. Misy ny fizarana fanampiana ho an’ny sahirana ara-pivelomana satria hoe “fetim-pirenena” ny andro. Misy ny fijerena manokana ny ankizy satria koa firavoravoana ho an’ny ankizy ny fetim-pirenena, sy ny maro tsy ho voatanisa.
Ireny rehetra ireny dia endrika anararaotan’ny mpitondra ny vanim-potoana ihany. Raha vantanina dia endrika isehoan’ny fampielezan-kevitra pôlitikan’ny mpitondra fanjakana mitana ny fahefana ny fetim-pirenena aloha hatreto.
Tsorina fa tsy misy antoka mihitsy izany rehetra izany fa hitondra fahasoavana maharitra ho an’ny vahoaka ilay hetsika. Ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka koa moa miteraka hafetsena ho an’ny mpitondra mba hihetsehany ka hilazana fa mikarakara vahoaka ry zareo.

Mbola lavitra ny afo ny kitay raha ampitahaina amin’ny fahendren’ny Ombalahibemaso, dia ny Masina Andrianamponinimerina, tamin’ny hoe “raha misy mitady na mangataka vary dia omeo angady izy hiasany tany mba hovoleny”. Mitovy lanja amin’izany ny fahendrena sinoa ny amin’ny hoe “raha mangataka trondro izy dia omeo fintana hanjonoany”.

Raha izay no ataon’ny mpitondra dia tena mikatsaka ny tombontsoam-bahoaka tokoa izy satria tsy ny mahafinaritra no mahamaika azy fa ny hahasoa ny vahoaka, ka raha ianjadian’ny fahasahiranana ny maro dia ny tetika sy ny fomba hanalana izany fahasahiranana izany no tokony hataony, farafaharatsiny, fanamaivanana ny fahasahiranaa, ary maharitra ny hisitrahan’ny vahoaka izany amin’ny alalan’ny tetik’asa matotra sy mafonja fa tsy vonjy tavanandro noho ny fetim-pirenena.

Izay manan-tsaina, aoka izy handinika.

Rainisoa

Lire aussi