La Gazette de la grande ile

Trangam-piaraha-monina : mahazo vahana ny fisolokiana

Publié le 24 juin 2019

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy. Asa na noho ny fahantrana na fitiavam-bola be loatra fa raha ny hita sy tsikaritra tao ho ato dia mirongatra izay tsy izy ny fisolokiana eto amintsika, indrindra fa ny eto Andrenivohitra raha ny tatitra avy amin’ny pôlisim-pirenena sy ny zandariamariam-pirenena. Miseho amin’ny endriny samihafa moa izay fisolokiana izay ary na ny banky aza dia lasa lasibatr’ireo mpisoloky, ankehitriny. Azo ambara fa anisan’ny mampirongatra ny fisolokiana eto amintsika ny fivoaran’ny teknôlôjia satria lasa mora ho an’ny sasany ny manao taratasy hosoka hahazoana vola. Eo ihany koa ny fisian’ny tambazotran-tserasera sosialy izay lasa fitaovana fisolokiana ho an’ireo olona tsy te hisahirana amin’ny fitadiavam-bola. Marihana fa sarotra ny miady amin’ny resaka fisolokiana amin’ny heloka tsotra azy, ary matetika dia tsy araka ny eritreretina mihitsy ny endrik’ireo mpisoloky.

F.Tsihiavonana

Lire aussi