La Gazette de la grande ile

Fiainam-pirenena : Mampiray ny Malagasy ny Barea

Publié le 24 juin 2019

Somary miavaka ny fankalazana ny fetim-pirenena tamin’ity taona ity raha ampitahaina tamin’ny teo aloha rehetra, hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena. Miavaka satria sambany teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no sady mihatrika ny fetim-pirenena ny vahoaka Malagasy no manaraka ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na ny CAN izay handraisan’ny ekipam-pirenena malagasy anjara. Hita sy tsikaritra amin’izao fotoana izao fa misy ny firaisan-tsaina sy firaisam-po eo amin’ny Malagasy rehetra amin’ny fanohanana ny Barea amin’izao fiatrehana ny amboaran’i Afrika izao, na ireo Malagasy mila ravinahitra any ampitan-dranomasina na ny eto an-tanindrazana. Tsy fahita matetika eto Madagasikara moa ny zavatra tahaka izany satria hatramin’izay dia nozarazarain’ny resa-pihaviana sy ny ady lahy politika ny Malagasy. Eny fa hatramin’ny fivavahana kristianisma izay mivoy fitiavana sy fihavanana aza dia lasa mampizarazara ny Malagasy, ankehitriny. Rehefa tsy nety nampiray saina sy fo ny Malagasy amin’ny lafivalon’ny nosy ny politika sy ny fivavahana, dia ny fitiavana sy ny fanohanana ny Barean’i Madagasikara amin’izao CAN andiany faha-32 izao no iraisan’ny Malagasy rehetra, na aiza na aiza fihaviany, na inona na inona loko politikany. Na ny sahirana ara-pivelomana na ny mpanefoefo dia samy maneho ny fanohanany ny ekipam-pirenena, ankehitriny. Maro ny fanatajahantena misy eto Madagasikara ary maro amin’izy ireo no be mpankafia, toy ny taranja Rugby, Basket, Tsipy kanetibe . . ., saingy ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny taranja baolina kitra ihany hatreto no hita tena mampiray ny Malagasy rehetra maneran’ny Nosy. Mbola vao fanombohana aza iny lalao nifanandrinan’i Madagasikara sy Guinea iny, fa raha tsara kokoa ny vokatra ho azon’ny ekipam-pirenena malagasy amin’ireo lalao manaraka ka tafakatra amin’ny ampahavalon-dalana, dia inoana fa mbola hitombo avo folo heny ny firaisan-kinan’ny Malagasy amin’ny fanohanana ny Barean’i Madagasikara.

F.Tsihiavonana

 

Lire aussi