La Gazette de la grande ile

Harena tsy ara-dalàna : Enjeho hatramin’ny mpangalatra tany aloha

Publié le 24 juin 2019

Ambeti-tenin’ny fanjakana sy ny mpanao politika ary ny mpandraharaha ankehitriny amin’izao fotoana izao ny mahakasika ny antsoina hoe « recouvrement d’avoir illicite » na « ny lalàna ny fananana tsy ara-dalàna ». Nampiavaka ny fanjakana Andry Nirina Rajoelina sy ny governemanta Nsay Christian izany.

Tsy nety nandany na nanao fandinihana momba ity lalàna ity ny depiote na ny parlemantera teo aloha (2013-2018) satria mpanao risoriso sy kolikoly ary mpangalatra avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Ireo parlemantera  ireo izay nalaza tamin’ny malety na ny bizina maloto ary ny firaisana tsikombakomba amin’ny olon-dratsy isan-karazany teto amin’ny firenena. Dia mazava raha tsy nanaiky ny handany iny lalàna iny izy ireo na dia in-droa aza izy iny no nasaina nandinika izany ary tsy nanao hatramin’ny farany fa nandà mafy hatrany.

Raha toa ka hatao ny fanadihadiana ireo depiote ireo dia avy aiza tokoa moa ny tranobe sy ny fiara vaovao novidin’izy ireo nandritra ny « mandat »-ny iny. Ankoatr’izany ny revirevy maro isan-karazany izay nataon’izy ireo? Hatramin’ny fanomezana tsy fantam-pihaviana izay natolotrin’ny depiote hoan’ny olona hambaboana azy ireo dia mampieritreritra avokoa. Miara mahita izany isika ary niara niaina izany hatramin’izao. Hatreto Antananarivo izany ka hatrany amin’ny faritany. Tsy tenenina intsony ny vola manapitrisa lany tamin’ny propagandy. Nisy vola sy harena marobe tsy fantam-pihaviana izany ka tokony hazava satria raha ny karaman’ny parlemantera no jerena dia tsy hahavoavidy sy hanana ireo harenany ireo izy ireo.

Tsy nolaniana koa iny lalàna mahakasika ny « recouvrement des avoirs illicites » iny satria ny mpikambana tao amin’ny governemanta teo aloha dia saika tafiditra ao anatin’io raharaha io avokoa. Marina fa mandray vola mihoampampana izy ireo nohon’ny mpiasam-panjakana sy ny manampahaizana ary ny olona ambony manana andraikitra eto amin’ny firenena. Manodidina ny 25 tapitrisa ariary isam-bolana no karaman’izy ireo raha ny resaka mandeha. Na izay aza dia mihoampampana loatra ny harenan’izy ireo. Tsy ankanavaka izany fa izy rehetra tokony hatao fanadihadiana avokoa. Fiarakodia vaovao hatrany amin’ny 100 tapitrisa ariary ny vidiny, tsy iray izany fa roa raha kely indrindra no ananan’ireny minisitra ireny. Toa izany koa ny trano mijoalajoala izay  200 tapitrisa ariary raha kely indrindra ny tombany ary tsy iray izany fa roa raha kely indrindra.

Vola avy aiza avokoa ireny ary tamin’ny fomba ahoana no nahazoany azy?

Tsy ny mpikambana ao amin’ny governemanta ihany sy ny depiote no voakasika izany fa hatramin’ny vadin’ny filoham-pirenena koa. Avy aiza ny harenan’izy ireny ary vola avy aiza koa? Satria lasa mpanakarena mihoampampana izy ireny sy ny fianankaviany amin’izao fotoana izao ary manontany ny ory mihitsy aza. Dia mazava na dia mbola tsy misy porofo aza fa raha tsy aferafera sy bizina maloto dia fanodinkodinana volam-panjakana, na koa fampiasana fahefana sy famoretana izay tsy izy.

Tsy ireo irery fa hatrany amin’ny lehiben’ny faritra sy ny mpiasam-panjakana ambony ary ny ben’ny tanàna maro manerana ny nosy.

Dia aoka koa tsy ny olona tamin’ny fitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina ihany no hanaovana fanadihadiana sy hotsaraina amin’ity raharaha ity fa tokony hojerena koa ny tamin’ny andron’ny fanjakana Tetezamita (2009-2013) izay nampiroborobo be ny fananan-karena tsy ara-dalàna sy harena tsy hita fototra.

Tsy tokony hijanona eo koa ny fanadihadiana sy ny famotorana fa hatrany amin’ny fitondran’ingahy Ravalomanana Marc (2001-2009) izay tsy niraharaha raha tsy ny fanodikodinana ny volam-panjakana sy ny fangalarana ny fananan’ny firenena.

Tsy ireo olona ireo ihany nefa no manan-karena tsy hita fototra sy tsy fatam-pihaviana fa hatramin’ny mpandraharaha maro eto Madagasikara vahiny sy tompon-tany koa dia maro no voakasika amin’izany.

Tena isaorana ny fanjakana Andry Nirina Rajoelina sy Ntsay Christian ity fikasana hamoaka ity lalàna ity amin’ny alalan’ny didy hitsy volana tsy ho ela , satria izany no tsy nisy teto Madagasikara hatramin’izay. Izany tokoa angamba no antony  nanafarana ho vahiny manakaja an’i Paul Kagamé filohan’ny repoblika any Rwanda ity satria dia tsy nisy famindram-po ny fiadiany amin’io raharaha io.

Izany no antony ilazana fa tsy tokony ho ferana amin’ny fomba fanao mahazatra hoe “ tsy manankery amin’ny olona tany aloha ny lalàna momba n’ny “recouvrement d’avoir illicite” ka hampiharina ny antsoina hoe “ principe de retroativité de loi” na ny “lalàna manankery dia tsy mihantra amin’ny olona nanao hadisoana tany alohan’ny fivoahan’ny lalàna izany”

Raha toa ka lalàna vaovao tsy afaka hanasazy ny mpangalatra teo aloha no tanterahana amin’ny fanatanterahana ity

“ recouvrement d’avoir illicite” ity dia mbola tsy hisy dikany ihany izany. Ireo olona voakasika izany teo aloha no nantsoina hoe “tsy maty manota”. Ireo no nampahantra ny firenena ary nampanjaka ny kolikoly sy ny risoriso ary ny halatra teto amin’ity firenena ity izay nahatonga ny Malagasy 92% tafiditra ao anatin’ny fijaliana tanteraka.

Ampiasao mafy ny Bianco sy ny Samifin ary tokony hovaina haingana koa ny lalàna mahakasika ny HCJ (haute cour de justice) hoy ny minisitrin’ny fitsarana Jacques Randrianasolo raha miresaka ity lalàna ity izy fa lasa vato misakana amin’ny ady amin’ny kolikoly tokony handeha tsara.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi