La Gazette de la grande ile

INTY SY NDAY : Tena mahaleotena ve ny firenena malagasy ?

Publié le 24 juin 2019

Isaky ny manakaiky ny faha-26 Jona, nanomboka ny taona 1961 dia ampanakoakoina ny hoe “hitsingerina ny Fetin’ny fahaleovan-tena”. Dia manitikitika ny saina ny hoe “tena mahaleotena tokoa ve ny firenena Malagasy?”

Ny olona sasany dia mampitaha ny nisy nandritra ny Repoblika voalohany sy ny taty aoriana raha hamaly an’izany fanontaniana izany. Dia ao ny milaza fa “tamin’ny Repoblika voalohany aloha dia tena sarintsarim-pahaleovan-tena no nisy satria na ny minisitra nandrafitra ny  govenremantan’i Tsiranana aza dia mbola nahitana frantsay, toa an-dry Lechat. Ny nandrafitra ny kabinetran’ny ministera sy ny tale tany anivon’ny ministera tany dia mbola maro no vazaha frantsay. Mbola tsy nahaleotena koa isika tamin’ny Repoblika voalohany, hoy ny mpitazana sasany, satria na ny vola Malagasy (iraimbilanja Malagasy) aza dia mbola voafatotra tao anivon’ny rafi-bola farantsa (zone franc), ary ny fifanakalozana sy ny fifandraisana iraisampirenena dia tsy maintsy nangatahana alalana sy nierana ary tsy maintsy nankatoavin’ny fitondram-panjakana frantsay tany Parisy. Ireo vondrom-barotra na “compagnie” maro nisahana raharaham-pihariana teto tamin’ny Repoblika voalohany dia saika mpampiasa vola frantsay avokoa  no tompony, toy ny “Compagnie Marseillaise”  sy ny  “Compagnie Lyonnaise”, sy ny hafa. Ny banky dia  bankin’ny mpanjanaka avokoa no nisy teto, toy ny “Bames”, ny “Bnm” sy ny hafa. Ny fitantanana ny famokarana sy fitsinjarana ny angovo dia an’ny vahiny, toy ny “Eem” (Eau et Eléctricité de Madagascar). Toraka izany koa ny fandraharahana ny solika, izay teo ambany fangejan’ny “Total”, ny “Shell” sy ny hafa, izay an’ny vahiny. Mbola nisy tobim-pamaharan’ny tafika vahiny teto Madagasikara, toy ny tany Antsiranana sy ny tetsy Imerintsiatosika.

Mbola maro tamin’ireo velaran-tany midadasika namokatra teto no teo ambany fiadidian’ny vahiny frantsay, toy ny tany Itasy sy ny fambolena kafe tany amin’iny ilany atsinanana sy atsimo atsinanan’ny Nosy iny. Toraka izany ny fambolena vary tany Marovoay sy  Alaotra. Hatramin’ny fandaharam-pianarana tany an-tsekoly no  ny an’ny Frantsay no natao. Sy ny maro tsy ho voatanisa e!

Izany rehetra izany no nilazana tamin’ny 1972 hoe “fanjanahan-tany tamin’ny endriny vaovao (néo-colonialisme) no nisy teto nandritra ny Repoblika voalohany ka nahatonga ny hetsi-bahoaka tamin’ny 1971 sy ny tamin’ny 1972.

Izay endri-javatra izay no nohararaotin-dRatsiraka, fony izy minisitry ny raharaham-bahiny tao amin’ny governemanta Ramanantsoa, nambaboana ny saina sy ny fon’ny vahoaka Malagasy tamin’ny 1973 ka nanavaozany ny fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny fitondrana frantsay (Accord de cooperation) izay nahatonga ny vola Malagasy tsy ho voageja tao anatin’ny fari-bola farantsa (zone franc) intsony sy ny tsy nahavoatery antsika ho naka tso-drano tany Parisy raha hifandray amin’ny firenena hafa tamin’ny lafiny maro. Tamin’izany no nialan’ny tafika Frantsay tany Antsiranana sy nandroahana ny Amerikana tany amin’ny Nasa Imerintsiatosika. Notohizan-dRatsiraka izany tamin’ny Repoblika faharoa, tamin’ny alalan’ny fandrafetana politikam-panabeazana vaovao (lalàna 74-040) izay namaritra ny fanagasiana sy ny famahoahana ary ny fanapariahana. Toraka izany fandraisana ho fananam-panjakana ireo orin’asa goavana niankinan’ny aim-pirenena, toy ny Jirama, ny Solima, ny orin’asam-barotra Roso, Coroi, Sice.

Satria tsy resy lahatra tamin’ilay foto-kevitra nirosoany ny fitondrana Ratsiraka fa mbola manimanina ny tongolon’i Ejipta, dia zary anarany fotsiny ny hoe “fandraisana ho fananam-panjakana ny seha-pihariana” sy ny fanagasiana ny fampianarana sy ny sisa, fa mbola nilalao azy tany ambadika tany ny vahiny, na ny Frantsay na  ny Rosiana na ny  firenen-dehibe hafa, satria nataony ho fialokalofana ny hoe “tsy momba ny atsy na ny aroa”.

Ka mba hahafahantsika mamaly ny hoe “tena mahaleotena ve ny firenentsika amin’izao fotoana, dia iangavianay ianao mpamaky hampitaha ny nisy teto nandritra ny Repoblika voalohany sy ny taty aoriana amin’ny zava-misy iainana ankehitriny. Tsy resahina intsony ny fivavahana amin’ny Banky Mondialy sy ny FMI mbamin’ny firenen-dehibe maro.

Ralay

 

Lire aussi