La Gazette de la grande ile

Tononkalo : « Fetim-pirenena »

Publié le 25 juin 2019

-Rehefa fetim-pirenena

n’aiza na’aiza alehanao

ny manangan-tsaina tsy terena

Fa  zary fomba ary tena koa fanao

Ny saina izay atsangana

Dia midika ho firaisam-pirenena

Ka ny firenena hafa tsy hialangalana

Ary ho hita izany ary koa jerena

-Ny sainam-pirenena milaza fiandrianana

Satria mampiavaka amin’ny firenena hafa

Izany jery izany dia mila mba ho tànana

ary hampitaina koa amin’ny dinika sy tafa

amin’ny olona sy ny zanaka amam-para.

Fa fomba ihany koa izany hanajany ny tantara

Meteza ary isika mba hanangana ny saina

Amin’ny toerana sahaza sy mora hita fa ilaina

-Amin’ny maha-olompirenena

meteza ianao tsy ho tambazana na koa hoe terena

fa fitiavana, fitiavanao ny tanindrazana

ka hahafaly anao raha toa mitazana

sainam-pirenena miofaofa, mikopakopaka

Hisian’ny rehareha anaty, mbola ao fa tsy zary tapaka

MADERA, Andrainarivo, 24 Jona 2019

Lire aussi