La Gazette de la grande ile

Rinah Rakotomanga : Asio fanajana fa mahamenatra

Publié le 25 juin 2019

Zavatra iray faran’izay manan-danja sy saro-pady  ny resaka serasera, indrindra fa avy amin’ny fiadidiana ny repoblika. Noho izany dia olona tokony hahafehy tsara izay sehatry ny serasera izay no omena ny andraikitra hisahana izany. Ny zava-misy anefa ankehitriny, dia hita sy tsikaritra fa tsy voafehin-dRamatoa Rinah Rakotomanga ny asany, tsy iza moa ity farany fa talen’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika. Nanaitra ny olom-pirenena maro tokoa mantsy no nahita ny fanambarana na ny « publication » nataon’i Rinah Rakotomanga tao anaty tambazotra sôsialy Facebook, fotoana fohy taorian’ny fivoahan’ny vidin-tsolika vaovao eto amintsika, ny alarobia lasa teo. Araka izao hita amin’ny sary izao, tsy tahotra tsy henatra ramatoa milaza fa « ho an’ireo tsy faly amin’ny vidin-tsolika vaovao dia afaka  manjifa ny vidin-tsolika teo aloha». Raha olom-pirenena tsotra efa zatra miady hevitra ao anaty tambazotran-tserasera sôsialy no manao teny tahaka izany dia mety tsy misy olana, saingy tsy olom-pirenena tsotra tahaka ny olon-drehetra i Rinah Rakotomanga fa talen’ny serasera eo anivon’ny prezidansa. Na olona tsy nandalo fianarana firy aza angamba no mahita ity « publication » nataon-dRamatoa Rinah Rakotomanga ity dia mahatsapa avy hatrany fa tsy manaja ireo Malagasy tsy mitovy hevitra aminy ny talen’ny seraseran’ny fiadidiana ny repoblika. Na aiza na aiza mantsy eto ambonin’ny tany, tsy voatery hankasitraka ny zavatra ataon’ny mpitondra ny olom-pirenena rehetra ao anatin’ilay firenena fa tsy maintsy misy foana ny tsikera sy ny fanakianana. Tokony hajaina noho izany ny hevitry ny olom-pirenena sasany na tsy hankasitrahan’ny tena aza.

F.Tsihiavonana

Lire aussi