La Gazette de la grande ile

Fampitaovana ny Tafika : Tanteraka ny fanirian’ny amiraly Didier Ratsiraka

Publié le 25 juin 2019

“Amin’ny maha manamboninahitra ambony eo anivon’ny Tafika ny tenako, dia malahelo aho raha milaza aminareo fa mahantra ny Tafika Malagasy ary tsy ampy fitaovana. Na ireo fitaovana ampiasain’ny miaramila malagasy aza dia efa nilaozan’ny toetrandro ka mila fanavaozana”, io no teny nataon’ny amiraly Didier Ratsiraka raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny fanatrehany ny matso teny Mahamasina, taona vitsy lasa izay. Ankehitriny kosa vao tanteraka izany fanirian’ny filoha teo aloha Ratsiraka izany satria tafiditra ao anatin’ny laharam-pamehan’ny  fitondrana mijoro ankehitriny ny famerenana ny hasin’ny Tafika Malagasy, ao anatin’izany ny fanomezana fitaovana sahaza sy mendrika azy ireo. Tao anatin’izay 5 volana nitondran’ny filoha Andry Rajoelina ny firenena izay dia efa hita taratra sahady ny finiavana hanatsara ny foloalindahy malagasy. Vao nandray ny fahefana ny filoham-pirenena, tamin’ny volana janoary, dia efa naseho vahoaka teny amin’ny kianjaben’ny Mahamasina ireo fiara “blindé” vaovao miisa 2 hiadiana amin’ireo dahalo mpangalatr’omby any ambanivohitra. Tonga ihany koa taty aoriana ny helikoptera 2 izay efa am-perinasa tanteraka, amin’izao fotoana. Tsy nifarana hatreo anefa izany satria tonga eto amintsika omaly indray ny fiarabe “blindé” miisa 4, fiara tsy mataho-dàlana maromaro ary fiaramanidina miaramila iray. Haseho vahoaka ampahibemaso mandritra ny matso ho tanterahina eny Mahamasina moa ireto fitaovana vaovaon’ny Tafika ireto raha ny fantatra. Araka ny efa voalaza tery ambony, tanteraka ankehitriny ny fanirian’ny amiraly Didier Ratsiraka izay nanao antso avo amin’ny tokony hijerena akaiky ny Tafika sy ny tokony hanomezana azy ireo fitaovana mifanaraka amin’ny toetrandro. Rariny sy hitsiny moa ity filoha teo aloha ity raha malahelo ny foloalindahy satria izy no manamboninahira miaramila ambony indrindra eto amin’ny firenena.

                                                                                                        F.Tsihiavonana

Lire aussi