La Gazette de la grande ile

Depiote : Izay tian-dRajoelina no tsy maintsy filohany

Publié le 14 juillet 2019

Amin’iny herinandro ambony iny no hanomboka ny fifidianana izay ho filohan’ny birao maharitra amin’ny Antenimierampirenena. Resabe amin’ny IRD (Isika rehetra miaraka amin’i Rajoelina) ny olona izay ho filohan’ity andrim-panjakana ity. Tsy azo iadian-kevitra fa tsy maintsy amin’ireo olon’ny antokony no ho filohan’izany.

Raha ny resaka mandeha farany amin’izao fotoana izao dia ingahy Jean Jacques Rabenirina, Fienena Richard, Irma Naharimamy ary Razanamahasoa Christine no miady mafy ho amin’izany toerana izany.

Na inona na inona no fihetsiketsehana hataon’ny mpomba ireo kandida ireo dia izay tian’i Andry Nirina Rajoelina ihany no tsy maintsy ho filohan’ny Antenimierampirenena eo.

Jesy Rabelalao

Lire aussi